VOLANA MASINA RAMADANY Efa ao anatiny tanteraka amin’izao fotoana izao ireo mpino Silamo

Vavaka manokana izay fibebahana amin’Andriamanitra, fifamelana sy fanasoavana ary fanaovana asa soa, fifadian-kanina sy fifehezana ary ny tsy firaisana ara-nofo no hanokanan’ny mpino Silamo maneran-tany, ny fotoanan’ny volana Masina Ramadany, mandritry ny 29 na 30 andro. Izy io izay tanterahan’izy ireo vao mangiran-dratsy ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro.

Ireo mpino Silamo na lahy na vavy tonga taona dia manaraka ireo fitsipika rehetra ireo avokoa araka ny lalàna voasoratra ao amin’ny Korany na ny “Coran” Masina. Ireo marary na ireo sendra tojo tsy fahasalamana tampoka na ireo manao “dia manokana” na “voyage” ihany no afaka tsy manaraka ireo fepetra ireo fa manolo izany amin’ny fotoana hafa, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fikambanan’ny Islamo Malagasy na ny F.S.M, Abousoary Saïd Arsène. Ity volana 1 ao anatin’ny 12 volana ity araka izany no fotoana hanatonan’ny mpino Silamo bebe kokoa an’Andriamanitra. Izany no antony handinihan’izy ireo tena satria marefo ny olombelona ka mila mitaiza vatana sy saina ary fanahy. Fotoana hitsinjovan’ireo mpino Silamo ny ankohonana sy ny fianakaviana ary ny mpiara-belona ihany koa anefa ny volana Ramadany. Anton’ireo hetsika ara-tsosialy maro samihafa izay tanterahan’izy ireo. Efa mivonona tanteraka amin’ireo lalàna sy fitsipika ary fepetran’ny finoana Silamo araka izany ireo mpino Silamo Malagasy amin’izao fotoana izao. Efa ao anatiny tanteraka ireo mpino Silamo satrai dia nanomboka ny sabotsy 01 Martsa 2025 ny iray volana Ramadany ka tsy hifarana raha tsy afaka 29 na 30 andro. Izy io izay volana Islamika fahasivy voalaza ao anatin’ny Korany Masina.

Ny mpino Silamo maneran-tany amin’ny taona 2030 dia hankalaza Ramadany indroa miantoana araka ny fanisana andro na ny “Calendrier” Islamika satria dia hanatanteraka izany izy ireo ny volana janoary izay fiandohan’ny taona raha eo ihany koa ny volana desambra izay fiafaran’ny taona. Ity trangan’ny fankalazana ny taona 2030 ity izay tsy fahita firy amin’ny finoana Silamo, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fikambanan’ny Islamo Malagasy na ny F.S.M, Abousoary Saïd Arsène.

Vous aimerez aussi