VOKATRA « SESAME & BAOBAB » Mahavelona sy be otrikaina

« Varimbarian’ny lavitra ny maro amin’ny Malagasy ka tsy mahita ny ambany maso ». Marina loatra io raha ny tontolon’ny fanjifana sakafo eto amintsika no dinihana. Sondriana loatra amin’ireo vokatra sakafo hafarana avy any Dilambato ny maro amintsika koa tsy mahatsiaro saina intsony fa manana karazan-tsakafo voajanahary vokatry ny tany eto Gasikara izay mitondra fahasalamana feno ny Malagasy.

Ny fahatsapana izany no nanosika ny « Ferme Aina » tarihan-dRamatoa Iangotiana nanompana ny asa fikarohana ataony izay efa an-taonany maro tokoa ny amin’ny fomba hanodinana ny « sesame » sy ny « baobab » ho amin’ny endrika fanampin-tsakafo ara-pahasalamana. Ambony dia ambony ny tahan’ireo otrikaina (vitamine, calcium, magnesium, fer, sns) ao anatin’ny « sesame » sy ny « baobab », hoy hatrany Iangotiana koa tsy isalasalana fa miteraka fahasalamana ho an’ireo manjifa azy ireto vokatry ny tany eto Gasikara ity. Fitaovana iray mahomby iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa ny fampiasana azy ireo. Manamafy ny hery fiarovana efa ao anatin’ny vatan’olombeloana ary akora mahomby iadiana amin’ny havizanana ny « sesame » sy ny « baobab ».

Anisan’ny vokatra faramparany nojarian’ny « Ferme Aina » ny fampiarahana ny « sesame sy ny « baobab ». Marihana fa tsy mampiasa akora simika ny « Ferme Aina » eo amin’ny fanodinana sy ny fitahirizana ireo vokatra. Miseho amin’ny endriny maro toy ny ranom-boankazo, yaourt, biscuit, tahini, sns ny fanampin-tsakafo voajanahary vokarin’ity orinasa malagasy ity. Sahaza ny sokajin-taona rehetra sy ny Olombelona tsy ankanavaka (Mpianatra, mpanao fanatanjahatena, vehivavy bevohoka, antitra…, araka izany, ireo vokatra. Mendrika fanohanana avy amin’ny mpitondra fanjakana ny ezaka tahaka izao izay miteraka ny « Soa iombonana » tsy ho an’ireo orinasa mpamokatra ihany fa ho an’ireo mpamboly ny akora fototra sy ny mpanjifa ihany koa. Afaka mifaninana amin’ireo vokatra avy any ivelany ny vokatry ny orinasa malagasy raha toa ka misy ny finiavana eo amin’ireo mpitondra fanjakana ho amin’ny fampiroboroboana azy ireny. « Ho tanteraka tokoa anie izany… »

Vous aimerez aussi