Tsy mampiova velively ny voka-pifidianana iny lisitra nampisy resabe iny, hoy ny avy ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (na ny Ceni), io maraina io, nandritra ny fitondrany fanazavana tamin’ny mpanao gazety.
Tsy mahakitika velively ny fahamarinan’ny fifidianana izany, satria tsy ny laharan’ny karapanondro no hamarinina fa ny momba ilay olona mpifidy, rehefa eny amin’ny biraom-pifidianana.
Tsy zava-baovao ny fisian’io tsi-fahatomombanana io, hoy hatrany ny Ceni, fa toe-javatra efa nisy foana tao anatin’ny lisi-pifidianana hatramin’ny taona 2012 io, ary niha-nitombo tsikelikely izany.
Tsy hametra-pialana
Manoloana izany no nanambarany fa tsy hametra-pialana fa hanohy ny dingana efa vitany hatrany ny Ceni, satria efa kely ihany koa sisa dia ho tapitra ny fotoam-piasany.
Ny Ceni aza no namoaka ny tsy mety, ahazoana manatsara ny zavatra aoriana ary namoaka ny mangarahara sy ny fanitsiana tokony hatao. Fantatra, araka ireny, fa misy vidiny lehibe ny fangaraharana.
Nasiany teny ihany koa fa nanana ny fahaleovantena tokoa ny Ceni.
Voalaza moa fa efa miverina eny amin’ny Fokontany izao ny lisitra, ahazoan’ny mpifidy manamarina ny momba azy ka hitondrana izany ho amin’ny fanitsiana. Koa nanentana ny rehetra hanao izany ity vaomiera ity.
