Miantso ny handraisana fanapahan-kevitra ara-drariny manoloana ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna tany Mahambo-Fenoarivo Atsinanana ny mponina any an-toerana. Nanao fanambarana iraisana ny mponina sy ny fikambanan’ny Tangalamena avy amin’ny fokontany miisa 26 mandrafitra ny kaominina Mahambo any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana any amin’ny faritra Analanjirofo, ny 9 janoary lasa teo. Fanambarana izay nanamafisan’izy ireo ny antso ny amin’ny tokony handraisan’ny tompon’andraikitra mahefa fanapahan-kevitra manoloana ny tsy fanarahan-dalànan’ny kandida tsy miankina iray mitondra ny laharana fahadimy nandritry ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina, ny 11 desambra lasa teo.
Efa eo am-pela-tanan’ny Fitsarana, ny fitoriana. Notsiahivin’izy ireo tamin’îo fanambarana io ireo karazana tsy fahatomombanana sy fandikan-dalàna hita. Anisan’izany ny fizarana bileta tokana folo andro mialoha ny fifidianana sy ny fisian’ny lisitra tsy mitovy anaty biraom-pifidianana. Teo ihany koa ny fanambazana mpifidy amin’ny alalan’ny famonoana omby sy fampanantenana maro ary ny fizarana vilany sy vola dimy arivo ary iray alina, tamin’ny andron’ny fahanginana mialoha ny fifidianana. Ankoatra izay dia nitatitra olona avy any amin’ny toeran-kafa ivelan’ny kaominina ity kandida ity. Nentina mba hifidy ireo olona ireo. Nisy ihany koa kara-panondro nalaina mialoha ary fandrarana olona sasany tsy hifidy izay tsy misy antony mazava. Nanatontosa fampielezan-kevitra mandritry ny fifidianana ihany koa ity kandida ity. Manahy ny hiverenan’ny tsy fahaiza-mitantana nitarika ny tsy fandrosoan’ny kaominina sy ny tsy fahefana nandoa karaman’ny mpiasa nandritry ny 18 volana ary fampidirana trosa 40 tapitrisa ariary, tamin’ny fotoana nitantan’io kandida ben’ny tanànan’i Mahambo tany aloha io, ny mponina.
Ny dimy taona farany teo dia voasokajy ho kaominina mandroso indrindra amin’ireo kaominina miisa 70 mahery mandrafitra ny faritra Analanjirofo ny kaominina Mahambo. Fotodrafitrasa maro no vita nandritra izay dimy taona izay. Teo ihany koa ny famatsiana jiro sy rano fisotro madio, ny tranompokonolona, lalana sy tetezana, ny fanatsarana tobim-pahasalamana. Teo ihany koa ny fisitrahan’ny vahoaka ny fandaharanasa ben’ny tanàna nitantana sy ny fiaraha-miasa tamin’ny Fitondram-panjakana foibe sy ny teo anivon’ny faritra no nahazoana ireo vokatra ireo. Malahelo anefa ny mponina any an-toerana ankehitriny fa mitady handresy amin’ny hosoka sy tsy fanarahan-dalàna maro ny olona efa hita fa tsy nahay nitantana ny kaominina tany aloha, araka ny fanazavan’ny mpitondra teny, Rafanohitra Edmond Dede.