“TROPIC AWARDS 2025” Hanolorana mari-pankasitrahana ireo matihanina eo amin’ny lafiny fizahan-tany

Ny andiany voalohany amin’ny hetsika “TropicAwards 2025” izay karakarain’ny  “Tropi’Com-Agence de Communication” no hotanterahana eny amin’ny Canal Olympia , ny sabotsy 1 Marsta ho avy izao. Ity hetsika ity izay fotoana iray entin’ny tomponandraikitra mpikarakara hanolorana mari-pankasitrahana ireo matihanina rehetra eo amin’ny lafiny fizahan-tany.

Tanjon’ity hetsika natokana ho an’ireo matihanina eo amin’ny lafiny fizahantany ity ny hampifanerasera sy hampihaona ireo mpisehatra sy ireo mpianatra mba hahazoan’ireo farany aingam-panahy. Misokajy 12 ny isan’ireo hotolorana izay mari-pankasitrahan’ny matihanina eo amin’ny lafiny fizahan-tany izay. Izy ireo izany ny “Meilleur Fast food”, ny “Meilleur Hotel étoilé”, ny “Meilleur Restaurant”, ny “Meilleur Gîte et maison d’hôtes”, ny “Meilleur Transport routier”, ny “Meilleur Influenceur voyage”, ny “Meilleur Influenceur food”, ny “Meilleur Ecolodge”, ny “Meilleur Activité de loisirs et sportive”, ny “Meilleur Tour opérateur local” sy ny “Meilleur Tour opérateur international” ary ny “Meilleure Boulangerie/patisserie/glacerie”, araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny “Tropi’Com-Agence de Communication” , Andriamiarintsoa Josceline. Ny lafiny fizahan-tany eto Madagasikara izay tena hilofosan’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fizahan-tany sy ny asa tanana, ny manome lanja azy noho ity Nosy ity ahitana ireo kanto tsy manam-paharoa maneran-tany.  Nahatratra 308.000 ny isan’ireo mpizahatany tonga nitsidika an’i Madagasikara ny taona 2024.

Ankoatry ny fampahafantaran’ny Ministeran’ny fizahan-tany sy ny asa tanana an’i Madagasikara dia mihamalaza hatrany ity Nosy ity noho ny fiaraha-mientan’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra eo amin’ity sehatry ny fizahantany ity, hoy ny tale mpanatanteraka ny kaonfederasionan’ny fizahantany eto Madagasikara, Rakotomalala Lova.

Vous aimerez aussi