TRA-BOINA ENY ANDRAMIARANA Nitondra ny anjara birikiny ny kaominina Antehiroka

Fanampiana tahaka ny akanjo sy kojakoja ilaina eo amin’ny andavanandrom-piainana no natolotry ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Antehiroka, Andrianarivelo Toky Harilanto, sy ireo mpiara-miasa, ireo tra-boina, eny amin’ny fari-piadidian’izy ireo.

Ireto tra-boina avy eny amin’ny fokontany Andramiarana eny amin’ny kaominina Antehiroka izay miisa 408 mitoby eny amin’ny EPP Morondava ireto izay tsy manana trano hipetrahana intsony amin’izao fotoana izao noho ny fiakaran’ny rano any an-tranon’izy ireo. Tao anatin’ny andro maromaro izao dia mihabetsaka hatrany ny rotsak’orana manerana ny Nosy indrindra fa ny eto amin’ny faritra Analamanga. Ankoatran’ny fanohanan’ny kaominina Antehiroka ireo tra-boina dia tonga nanolotra vatsy ara-tsakafo azy ireo ihany koa ny avy amin’ ny BNGRC. Ny ekipan’ny kaominina sy ny zandary avy ao amin’ny kaominina Antehiroka ary ny CAA no niara-niasa teo amin’izay fanoloran-tanana ny mponina izay. Tsy ny kaominina sy ny tomponandraikitra ara-panjakana ihany no manohana ireo tra-boinan’ny kaominina Antehiroka fa eo ihany koa ireo fikambanana sy ireo malala-tanana izay mijery manokana azy ireo.

Ny kaominina Antehiroka eny amin’ny disitrikan’Ambohidratrimo dia rafetin’ny fokontany miisa sivy, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Antehiroka, Andrianarivelo Toky Harilanto.

Vous aimerez aussi