Tovovavy : 39% no mitondra vohoka aloha loatra

Vehivavy miisa folo (10) no maty eo am-piterahana isan’andro ka ny telo (3) amin’ireo dia eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 19 taona.
Marihina ihany koa fa ny 39 %-n’ny vehivavy no voalaza fa mitondra vohoka aloha loatra.
Fantatra izany, araka ny tatitry ny Ministeran’ny Fahasalamana nandritra ny fampahafantarana nataon’ny fikambanana Gender Links.
Efa 8 taona teo izay no niasan’ity fikambanana Gender Links ity teto Madagasikara, ka tsy vitsy ny asa vitany teo amin’ny ezaka fampiroboroboana ny miralenta. Anisan’izany ny fampiakarana ny tahan’ny vehivavy miditra an-tsekoly, izay efa nahitam-pahombiazana, raha teo amin’ny ambaratonga voalohany. Nisy ihany koa ny fampiharana ny miralenta eo amin’ny fitantanana ny firenena, teny anivon’ny kaomina sy ny Antenimierampirenena.
Manomboka izao kosa dia hiroso amin’ny sehatry ny fahasalamana ara-pananahana indray ny Gender Links noho ny fahatsapany fa mitombo ny tahan’ny ankizy sy ny tanora miroso amin’ny firaisana ara-nofo sy mitondra vohoka aloha loatra, izay tratran’ny vohoka tsy nirina. Hisy, noho izany, ny fiarahan’ity fikambanana ity miasa amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Hatao ny hetsika manerana ny Nosy ka hojerena manokana amin’izany ny tovovavy, satria misy no tena mbola kely dia kely no efa mitondra vohoka. Tsy atao ambanin-javatra koa anefa ny lahy satria tsy mandeha irery ny firaisana raha tsy misy azy.

Ramanana

Vous aimerez aussi