Ny fianarana no maha olona, hoy ilay hiran’ny mpanakanto iray izay ! Toa ny mifanohitra amin’izay raha ny zavamisy eo anivon’ny tontolon’ny fampianarana tato ho ato no dinihana. Ankoatra ny fanalana tamin’ny toerany ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha noho ny resaka vatomamy dia mbola baraingo mipetraka sy manjavozavo hatrany ny manodidina ny fanantanterahana ireo fanadinam-panjakana sy ny fomba hanohizana na hamaranana ny taom-pianarana nosembanin’ny covid- 19. Misamboaravoara, araka izany, ny tontolon’ny fampianarana hatreto.
Velon’ahiahy, mitaky fanazavana
Velon’ahiahy sy tebiteby fatratra ireo ray aman-drenin’ny mpianatra manoloana ny mbola tsy fivohan’ny tetiandrom-panadinana ofisialy eto Madagasikara sy ny ho tohin’ny fizotran’ny fandaharam-pianarana izay tapaka noho ny covid- 19.
Tsy ireo Ray aman-dreny manan-janaka hiatrika fanadinam-panjakana ihany anefa no tojo olana fa eo ihany koa ireo mpianatra amin’ny kilasy ankebakebany (tsy hanala fanadinana) izay miasa saina ny amin’ny mety ho tohin’ny fandaharam-pianarana. Raha tsiahivina, efa mandia ny 03 volana tsy nidirana an-dakilasy ireo mpianatra.
Tsy mirindra ?
Anisan’ny mampitombo ny ahiahy eo amin’ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra ny fahenoana fa efa miroso amin’ny fanatanterahana ny adina ara-panatanjahetana ireo mpianatra any amin’ny faritra. Singanina amin’ireny ny any Antsirabe. Alaim-panahy, araka izany, izy ireo hieritreritra fa misy tsy mirindra ny fomba fiasa eo anivon’ny minisiteran’ny fanabezam-pirenena.
Mitaky fangataham-panazavana sy famaritana ny daty hanatanterahana ireo fanadinana ofisialy toy ny CEPE, ny BEPC ary ny Bakalorea sy ny manodidina ny paikady hoenti-manohy na mamarana ny taom-pianarana, araka izany, izy ireo hampisinda ny ahiahy ka ahafahana mifantoka tanteraka amin’ny fanomanana ny fanadinana.
