TONTOLO NOMERIKA Nifampizaran’ireo vehivavy traikefa ny “Woman Rock In Digital”

“Ny “Intelligence Artificielle” na ny “IA” izay tena efa miroborobo maneran-tany” no lohahevitry ny andiany fahaenina tamin’ny hetsika “Woman Rock In Digital” tamin’ity taona ity. Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany ny teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fikambanana “Avana Hub”. Ity hetsika ity izay nahafahan’ireo vehivavy toy ny Injeniera sy ireo mpiantsehatra hafa nifampizara traikefa eo amin’ny tontolon’ny nomerika.

Ity andiany fahaenina ity dia nampirisihana ihany koa ny mba hidiran’ireo vehivavy hafa eo amin’izay sehatry ny tontolo nomerika izay. Nandritra izay enin-taonan’ny hetsika izay dia manodidina ny 20 isan-jato ireo vehivavy nisehatra teo amin’ny tontolon’ny dizitaly. Tanjona anefa ny hampiakatra io antontan’isa io indrindra fa amin’izao fotoana izao mampiroborobo fatratra ny tontolon’ny teknolojia avo lenta izao. Manana anjara toerana lehibe amin’izany ny vehivavy. Fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo efa matihanina amin’izany tontolo ara-kajy mirindra izany niampy ny fifampizarana fahaiza-manao ary ny fihainoana ny fijoroana vavolombelona eo amin’ireo ampy traikefa no nibahan-toerana tamin’io fotoana nanatontosana ny hetsika “Woman Rock In Digital” andiany fahaenina io.

Miisa zato ireo nanoratra anarana izay tonga namaly ny antso tamin’ity hetsika natokana ho an’ny vehivavy izay efa milomano amin’ity teknolojia avo lenta izay notohanan’ny orinasam-pifandraisana “Yas Madagasikara” ity, araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny fikambanana “Avana Hub”, Randrianasolo Isa, izay mpikarakara ny hetsika.

Vous aimerez aussi