Araka ny efa nambara dia misy rivodoza niforona ao atsinanan’i Sambava nanomboka omaly alina.
Androany maraina dia tany amin’ny 213 km avaratra atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny izy io, ka 55 km/ora ny rivotra miaraka aminy ary arahina tafiotra 105 Km/ora izany.
Araka ny fanambarana anefa dia mikisaka mianavaratra somary avaratra andrefana ny diany ka mahafaka 18 Km/ora. Hitombo hery izy ka mety hahazo anarana anio alina.
Manomboka rahampitso tolak’andro dia vinavinaina hikisaka hanalavitra ny morontsiraka izany ka hizotra hihazo ny Nosy rahavavy.
Na izany aza, ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Sambava sy Brickaville dia tsy tokony hiandriaka fa mihamahery ny fitsokan’ny rivotra.
Araka izany moa dia tsy misy ny filazana loza mikasika ity rivodoza ity hatreto.