Mandeha ny feo, fa afindra indray hono ny “gare routière”. Afindra eny amin’ny toby fiantsonana Ambohimanambola “hono” ireo kaoperativa miantsona etsy amin’ny tobin’ny Makis Andohatapenaka. Nambaran’ireo kaoperativa, mpanera, mpamily taksiborosy, “guichetier”, fa vao volana vitsy izay no nalàna tetsy amin’ny toby Ambodivona ireto kaoperativa ireto ary nafindra teny amin’ny Makis Andohatapenaka, dia izao alefa eny Ambohimanambola izao indray. Ny antony, hoy izy ireo dia nolazaina fa lasa tery io toby io, ka antony iray hamindrana azy ireo. Nambaran’ireto mpiasa ireto, fa “tsy hanaiky ny harirarira sy afindrafindra tahaka izao izahay. Efa nilefitra tamin’ny fanesorana anay tetsy Ambodivona izahay ary nampiasana mpitandro ny filaminana nanalana anay teny. Dia amin’izao tadiavina alefa any alavitra be any indray. Dia hanao ahoana ireo mpandeha sy ny mpanjifa, handany sara-dalana ohatrinona?”.
Tokony mitady vahaolana maharitra ny mpitondra fanjakana, fa tsy lalaovina tahaka izao ny sehatry ny fitaterana, hoy hatrany ireto olona ireto, tamin’ny feo hentitra sy henjana. Zavatra tokana no takian’izy ireo, “havaozy ary hamboary ny toby fiantsonana ao ambadikin’ny Total etsy Ambodivona, dia aleo hiverina eny izahay, fa io no toerana efa nahazatra anay hatramin’izay. Ataovy manara-penitra io, dia aleo handeha ny fifaninanana, fa tsy hovonoina tahaka izao ny kaoperativa madinika izay mamelom-bady aman-janaka”. Andrasana noho izany ny mety ho tohin’ity famindrana toby fiantsonana manaraka ity indray.