Tsy mandà ny hanaovana ilay tetikasa Tana Masoandro izay nokasaina natao tetsy amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka, ny kaominina Imerintsiatosika. Nambaran’ny Ben’ny tanàna, fa tsy mandà ny hananganana io tetikasa io ny kaominina, fa vao mainka aza manome endrika ny tanàna izany, hoy izy. Hatreto anefa dia mbola mijanona ho honohono aloha ny fanatanterahana izany, hoy hatrany ny fanazavany, fa mbola tsy ofisialy ny filazana io tetikasa Tana Masoandro io. Miandry fatratra izany ny fiadidian’ny tanàna sy ny mponina any an-toerana, satria gazety mpiseho isan’andro anankiroa no namoaka ny vaovao tamin’izany, fa na any Arivonimamo na etsy Imerintsiatosika no hanaovana io tetikasa io, hoy hatrany ny nambarany. Tsy mametraka olana amin’ny fametrahana ny tetikasa ny mpitantana, fa fampandrosana ny tanàna izany, hoy izy. Ny olana ho an’ny Ben’ny tanàna, dia aiza ny toerana hanaovana azy, rahoviana?, hoy ny fanontaniana napetrany. Mbola tsy nampahafantarina ny filazana izany moa ny Ben’ny tanàna, fa efa maro ireo olona no nanontany ny mpitantana ny tanàna, hoy ny nambarany. Andrasana ny famoahana ny vaovao ofisialy momba ity tetikasa Tana Masoandro ity.
Vous aimerez aussi
FANJA N°1 ANDOHARANOFOTSY : « Ny fahantrana no fahavalo iombonana… »
« Vinam-pampandrosoana efa maty paika mamaly ireo filan’ny mponina mifototra amin’ny fampiharana ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny...DR NAINA – AMBOHIMANGAKELY Vonona hanohy ireo asa fampandrosoana…
Dokotera Naina, mitondra ny laharana faha- 05 anatin’ny Biletà tokana ho amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy...FANAMPIANA IREO MANA-MANJO Amperinasa ny « Maison funéraire Henikaja »
Ho fanampiana sy fanaimavanana ny fahasahiranan’ireo fianakaviana nidonam-pahoriana noho ny famoizana havana ary koa ho fanatanterahana...