TETIKASA PROPFR – FARITRA BOENY Nanolotra fitaovana hanasana tanana hiadiana amin’ny covid-19

Ho fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID-19 ao amin’ny faritra Boeny, dia nanolotra fitoeran-drano hanasan-tànana sy savony, “gels hydroalcooliques, essuie-tout, pulvérisateurs”, arovava, “combinaisons”, ny avy ao amin’ny Sampan-draharaham-paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, ny Talata 19 May, tao amin’ny efitrano fivorian’ny Foibem-paritra eny amin’ny Bord de la mer Mahajanga. Ny tetik ‘asa ProPFR  na « Promotion de la Politique Foncière Responsable » no nanolo-tànana ny nanome ireto fitaovana ireto. Ireo kaominina valo iasan’ny tetik’asa ProPFR ao Boeny no hisitraka azy ireo, toa ny Tsaramandroso, Manerinerina, Ambondromamy, Ankijabe, Ambalakida, Katsepy, Mariarano ary Betsako. Nanotrona izao fanolorana izao teny an-toerana ireo olom-panjakana avy ao an-toerana notarihan’ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolo-toerana, Atoa Bazezy Clavelah. Ny fisorohana voalohany sy mahomby amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny COVID-19, hoy ny Lehiben’ny faritra tamin’ireo Ben’ny tanàna valo dia ny fanentananareo tsy mitsahatra ny vahoaka hanaja ireo « gestes barrières » rehetra, ary ohatra voalohany amin’izany izay ataonareo, hoy izy.

Vous aimerez aussi