TARIKA « RY VOAHARY » Mivoy ny « bagasy an-kabôsy »

Tany amin’ny taona 1977 no efa nikaroka sy nandalina ny tontolo sy ny tantaran’ny bagasy ny tarika Ry Voahary. Anisan’ny mampiavaka ny bagasy iangalian’ity tarika ity ny fanomezana laka ny kabôsy anatin’ireo tsanganasany. Ny kabôsy no mitarika ireo zavamaneno hafa toy ny gitara, vatamaroafitsoka, aponga maroanaka, sns mandritra ny filalaovana ireo hira. Hahenoana ilay folaka bagasy an-kabôsy avokoa ireo vazon’ny tarika. Tononkira mahitsy toraka sy mirakitra hafatra mora takarina. Ireo no mandrafitra sy mampiavaka ny kanto voizin-dry Ry Voahary.

Marihana fa manana ny fomba fanonona azy manokana ny teny rehetra anatin’ny tononkira rehefa milalao ny bagasy mba ho tafatoetra hatrany ilay maha kanto azy. Azo sokajiana ho « Vazo miteny bagasy » ihany koa, araka izany, ny taokanto voizin’izy sivy mianadahy. Ireto farany, izay samy manavia manavanana avokoa amin’ny fihirana sy ny fandihizana an-tsehatra. Nomarihan’i Voahary, lehiben’ny tarika fa tsy misaraka amin’ny fanaovana asa sosialy ny fanatanterahana ireo fampisehoana miety Vohitra izay tafiditra anatin’ny « Social tour ». Tanjona apetraka eo anivon’ny « Ry Voahary » ny hitondra avo hatrany Dilambato ny bagasy amin’ny alalan’ny fanakambanana anatin’ny tarika ireo mpitendry zavamaneno, mpihira ary mpandihy matihanina. Manana ny hanitra ho azy tokoa mantsy inty gadona nentim-paharazana inty. « Tsy Ianao no mametraka ny laza, fa ireo mpankafy no mampisalotra izany Anao rehefa mahafeno ny fenitry ny famaritana ny atao hoe : “Kanto” ireo tsanganasa voajarinao » hoy i Voahary. Trafon-kena ome-mahery, am-bava homana, am-po mierotra e !

Vous aimerez aussi