Ny volana Oktobra 2022 no teraka ny tarika « M’iray Kalo » Ivondronan’ireo tanora miandahy miambavy miisa manodidina ny dimy ambiny folo, mankafy sy atosiky ny fitiavana hanome aina indray sy hamelona ireo hira teatraly tranainy, azo antsoina ihany koa hoe : « Kalon’ny Fahiny ». Tanjona sy antom-pisian’ny tarika, araka izany, ny hamerina sy hamelona indray ireo kalon’ny fahiny nalaza teto Imerina ary miezaka mamelona izany amin’ny fomba fihira sy fandrindrana ary fitendrin’ireo mpanoratra sy mpamorona azy tany ampahariana, araka, izay azo atao.
Nomarihan’i Dimbi iray amin‘ireo mpikambana eo anivon’ny « M’iray kalo » fa tsy voatery ireo efa nahazo taona no afaka miangaly sy mankafy ny « Kalon’ny fahiny » Tonga ny fotoana hampitan’izy ireo ny fanilo amin’ireo tanora ankehitriny mba ho fanomezana aina sy ainga vao indray ny « kalon’ny fahiny » mba hahafahana mametraka azy amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy. Tsy mianona hatreo amin’ny famelomana indray ireo tsanganasan’ny Andrarezin’ny « Kalon’ny fahiny » teto Imerina toa an-dry Naly Rakotofiringa, Naka Rabemanantsoa, Justin Rajoro, Andrianary Ratinarivo sy ireo maro hafa ny tarika fa miezaka mampahafantatra ny mombamomba (Biographie) azy ireo manodidina ny tontolon’ny mozika izay niseharan’izy ireo ho an’ny taranaka ihany koa ny « M’iray kalo ».
Maro ireo fiakarana an-tsehatra efa vitan’ny tarika. Tsongaina amin’ireny ny seho nokarakarain’ny « Antenimieran’ny Oloben’ i Madagasikara » ho fanamarihana ny tsingerin-taona nijoroan’izy ireo. Io no vakisehatra volaohany hpo an’ny « M’iray kalo », notanterahana, ny Alahady 20 Oktobra 2022. Nitohy ny volana Marsa 202, nandritra ny fankalazana ny « Taom-baovao Malagasy » notanterahina tao amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Nandray anjara mavitrika tamin’ny “Zara Sehatra Ba-Gasy” nokarakarain’ny Sehatra ba gasy tao amin’ny ARO Antsahavola ny volana Jiona 2023. Ankoatra izay, mandray anjara amin’ny sehatra hafany tarika toy ny fankalazana tsingerin-taona, ny lanonam-panambadiana, sy ireo fandaharana amin’ny Haino aman-jery. Vinanasa akaikin’ny tarika ny famoahana ny rakim-peo mirakitra ilay hira tsy lefin’ny taona maro mifandimby « Diavolam-pararano » sanganasan’Andrianary Ratianarivo ary ny fanodinana rakitsary vaovao. Mahavelom-bolo ny mahita tanora malagasy resy lahatra fa mila voizina ny an’ny tena ary arovana mba tys voatelin’ny ambara fa fandrosoana amin’ny endriny mamiratra jerena nefa ankoso-bolamena. Misy fiaraha-miasa akaiky sy matotra eo amin’ny « M’iray kalo » sy ireo Zoky be mpanakanto mpiangaly ny Kalon’ny fahiny, hoy i Ila Aina, « tompon’andraikitra artistika » eo anivon’ny « M’iray kalo mba hahafahana manatsara hatrany ny kalitaon’ny vokatra hatolotra ireo mpankafy sy hantaevenana ny traikefa manodidina ny tontolon’ny « Kalon’ny fahiny ».