« Ny olona kenakenaina tsy azo antenaina amin’ny fampandrosoana ny firenena ! Raha tsy matotra ny fifehezana eo amin’ny fanabeazana dia taranaka goragora sy tsy tan-dalàna no hoavin’ny firenena ary tsy misy firenena vanona miaraka amin’izany baranahiny izany ! ». Anisan’ny hafatra nataon’ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, tamin’ireo mpianatra sy mpanabe izany io maraina io, nandritra ny fanokafana tamim-pomba ofisialy ny taom-pianaran’ny Sekoly FJKM, tetsy amin’ny Fiangonana FJKM Atsimon’i Mahamasina.
Nanteriny fa misy hatrany ny olana eo amin’ny fiainana sy ny fianarana, kanefa rehefa miaraka amin’i Kristy, tsy maintsy tafita ny dia. Ny fiarahana amin’i Kristy manko no mitondra amin’ny fiainana vanona, hoy ihany izy.
Sekoly FJKM mitombo,…
Namafisin’ny Tale Nasionalin’ny Fampianarana eo anivon’ny Sekoly FJKM, Rakotondranaivo Domoina fa miavaka ny sekoly FJKM. Ankoatra ny fizokiany dia tsy manabe ny ara-batana sy saina ihany izy fa indrindra ny ara-panahy mba hananana mpianatra ho vanona sy ho vonona amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Ny tanjona amin’izao 4 taona manaraka izao moa dia ny hoe : Sekoly FJKM mitombo, mandroso ary mamirapiratra amin’ny lafiny rehetra.
Nandritra izao fotoam-panokafana izao ihany koa no nanolorana mari-pankasitrahana ireo mpianatra mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana teo.
Fantatra ihany koa fa miisa 622 ny isan’ny sekoly FJKM mijoro ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana 37 manerana ny Nosy. Mijoro ara-panjakana ary manaraka ny fenitra takian’ny Ministera amin’ny fanatsarana ny fanabeazana izany.
