TAOM-PIANARANA 2024-2025 Miditra amin’ny roa volana fahatelo

Ny alatsinainy 6 janoary lasa teo no niverina niditra an-tsekoly indray ny ankabeazan’ireo mpianatra rehetra eto Madagasikara. Ny roa volana fahatelo amin’ny taom-pianarana 2024-2025 amin”izao fotoana izao araka izany no atrehan’ ireo sekoly rehetra manerana ny Nosy ka eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ireo. Roa volana fahatelo izay tena herin’ny fampianarana ho an’ireo sekoly eto Madagasikara ireo noho izy io vanim-potoana iray hanenjehana ireo ezaka rehetra. Ny mpianatra sy ny mpampianatra izay tena mila mifantoka tanteraka satria eo no fotoana hanaraha-mason’ny mpampianatra ny momba ny mpianatra. Ireo tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly ihany koa diia manomana ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ary Bakalorea.

Mahakasika ny CEPE sy BEPC dia efa manomboka ny fisoratana anarana amin’izany. Maro araka izany ireo antontan-taratasy ilaina amin’io fanadinam-panjakana io. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana ireo rehetra voakasika amin’izany mba hanamora ny fikarakarana ny antontan-taratasy. Mangataka ihany koa mba ho tokony maimaim-poana ny rehetra momba ny fanadinam-panjakana fa tsy ho andoavam-bola. Efa miantraika amin’ny isan-tokantrano ny tsy fahampian’ny fotoana entina hikarakarana ny antontan-taratasy indrindra fa ny fahasahiranana ankehitriny. Manaporofo io fahasahiranan’ny isan-tokantrano io ny mbola tsy nandoavan’ireo ray aman-dreny ny saram-pianaran’ny zanany raha ho an’ity volana janoary ity. Na ny saram-pianarana tamin’ireo volana teo aloha ihany koa aza dia mbola tsy voalohan’ireo ray aman-dreny na ny fahadimin’ny volana hitsahana aza no tokony hanefana izany. Izany indrindra no mahatonga ireo talen-tsekoly manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny tokony hijerena akaiky izay tsy fandoavam-bola eo amin’ny fikarakarana antontan-taratasy fiatrehana ny fanadinam-panjakana izay.

Na izany na tsy izany anefa dia manolo-tanana amin’ny alalan’ny firesahana amin’ireo ray aman-dreny ny sekoly mba hahafahan’ireo mpianatra manovo fahaizana amam-pahalalana hatrany satria ny fianarana no lova tsara indrindra ho an’ny taranaka fara aman-dimby, araka ny fanazavan’ny Talen’ny sekoly tsy miankina Ny Ampinga d’Or eny Antanjombe Ambohimanarina, Manampisoatoavina Lalaina Mitahiry Fahendrena.

Vous aimerez aussi