Nazava ny fitakiana niendrika fanehoan-kevitra nataon’ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanan’ireo talen-tsekoly tsy miankina. Mitaky marindrano ny hamoahan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ireo datim-panadinam-panjakana izy ireo, ahafahana mampisinda ny ahiahian’ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra sy hisian’ny fitonian-tsaina eo amin’ireo kilonga hiatrika ny fanadinana.
Miteraka ahiahy
Ny tsy fivoahan’ny tetiandrom-panadinam-panjakana toy ny CEPE, ny BEPC ary ny BACC no anisany mahavelon’ahiahy fatratra ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra ankehitriny. Maro amin’izy ireo, hoy ny fikambanan’ny talen-tsekoly tsy miankina no manahy fa mety mbola hisy indray ny fanefana saram-pianarana fanampiny raha toa ka mbola tsy mivoaka hatrany ny daty hanatanterahana ireo fanadinam-panjakana. Mampiroaroa saina azy ireo ihany koa ny fieritreretana ny mety hisian’ny taona fotsy noho ny tsy famaritana mazava ny daty hanatanterahana ireo fanadinana hatramin’izao.
Tokony tsy hihoatra ny 10 volana izay fotoana voafaritra handoavana saram-pianarana ho an’ny taom-pianarana iray ny fanatanterahana ireo fanadinam-panjakana mba hisorohana ny ahiahy eo amin’ny Ray aman-dreny, hoy hatrany ny fikambanan’ireo talen-tsekoly tsy miankina.
Vao ny alahady teo no nanamafy ny filoha Andry Rajoelina fa tsy maintsy hisy ary hotanterahana ny fanadinam-panjakana eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara. Inoana, araka izany, fa hivoaka tsy ho ela intsony ny daty hanatanterahana ireo fanadinam-panjakana. Ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ankapobeny rahateo efa imbetsaka no nanambara fa efa vonona ny pitsopitsony rehetra hanatontosana izany anatin’ny fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana takian’ny hamehana.