TAKSIBROSY ANDOHATAPENAKA : Miverina amin’ny laoniny ny fitaterana

Miverina amin’ny laoniny ny fitateram-bahoaka eny amin’ny toby fiantsonana eny Andohatapenaka rehefa niato tamin’ny ampahany izany.

Marihina moa fa antony vitsivitsy no nahatonga ireto mpitatitra ireto nanao ny fitokonany, ka anisan’izany ny tsy faneken’izy ireo ny fampiharana ny lalàna mifehy ny lanjan’entana ho 15 Kg, ny haavon’ny entana ho 0,80 m, ny tsy fahazoana mametraka entana ao amin’ny « soute », ny fandoavam-bola amin’ny fiarovana ataon’ny zandary ary ny fangatahan’izy ireo ny famerenana ny fitantanana ny fiantsonana ho an’ny fanjakana.

Nisy anefa ny dinika fifampiresahana teo amin’ny sendikan’ny mpitatitra sy ny avy amin’ny Ministera (na ny ATT) ka nisy ny marimaritra niraisana nampiato ny fitokonana.
Na izany aza, tsy mbola tapaka ny dinika momba  ireo entana fa mbola fampahafantarana fotsiny ihany no nataon’ny ATT.

Vous aimerez aussi