SOATOAVINA MALAGASY : Tandindomin-doza tanteraka

Ankoatry ny fanafihana mahery vaika ataon’ny kolontsaina vahiny sy ny fitobahan’ireo fomba amam-panao avy any ivelany dia mbola mihatra amin’ny Soatoavina malagasy ankehitriny ihany koa ny fanaovana valalan’amboa azy.

Variana amin’ny an’ny hafa

Manoloana izany, tandindomin-doza tanteraka ny Soatoavina Malagasy. Ny tsapa aloha hatreto toa variana sy sondriana loatra amin’ny fanjifana  ny an’ireo vahiny izay ezahany atobaka eto an-tanàna Ramalagasy ka zary lasa manadino ilay vakomanitra harena sarobidy.

Samy tompon’andraikitra amin’izany ny isam-batan’olona fa voalohany ho amin’ny fiarovana sy ny fiahiana izany ny eo anivon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Tsy adidiko izaho samy irery fa adidiko izaho sy ianareo, hoy rahateo ny Ombalahibemaso.

Malagasy mandroso

Tsy tokony ho gaga isika raha toa ka mhisatra ny fampandrosoana an’i Gasikara mandraka ankehitriny noho ny Soatoavina voahitsakitsaka sy noverezin-kasina hatrany.

 « Malagasy mandroso fa mijanona ho Malagasy ». Io no tokony ho teny filamatra ho an’ny isam-batan’olona. Mazava rahateo ny oha-pitenena malagasy manao hoe : Aza mitomany randrana manendrika ny hafa ary tano ny anao fa ny an’ny hafa tsy omeny. Efa vonona hanasina sy hanandratra ary hiaro hatrany ny Soatoavina Malagasy tokoa àry ve isika monina eto amin’ity Nosy misarin-tongotra ankavia ity sa mbola manjeny andro lava amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao vahiny hatrany ?

Aza miantsampy amin’ny hazo tsy fantatra

Tsy fankahalana ireo vahiny sanatria fa ataovy toy ny « Voankazo an’Ala, ny mamy atelemo ny mangidy kosa aloavy e !!! ».  Ilaina rahateo ny fahaizana mandanjalanja ahafahana misoroka amin’ny fiantsampazana amin’ny hazo tsy fantatra sy ny fanaovana rapa-dango ka mety hitera-doza eo amin’ny fiainana.

Famerimberin’ny Ntaolo rahateo ny hoe : « Aza manaotao foana, aza mihinankinam-poana ary aza miteniteny foana ». Ity farany izay ampahany ihany amin’ireo Soatoviana Malagasy mendrika kajiana sy ho toavina hatrany io. Raha tanterakao ireo, hirindra sy milamina amin’ny ankapobeny ny fiainanao.

Vous aimerez aussi