SHALAR ANDRIAMADY RIJA « Mitaky fanovana toe-tsaina ny fialana amin’ny fahantrana »

64 taona « notolorana » ny fahaleovantenany ny Malagasy, fa mbola anaty fahantrana lalina mandraka ankehitriny ny ankamaroany. Tsapa ihany koa fa miseho lany ny fanandevozana amin’ny endriny vaovao. Tsy mbola tena mahaleo tena i Madagasikara, fa fahaleovantena sarintsariny no misy eto. Vokany, tsy mitsaha-mijotso ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Lavitra ny Malagasy, araka izany, ilay fampandrosoana dradraina isan’andro vaky.

Maro ireo antony mahatonga izany, hoy i Shalar Andriamady Rija, mpitarika ny fivavahana « Hebreo notsrym ». Anisan’ireny ny tsy fiverenantsika amin’ny fivavahan-drazana malagasy izay miteraka fahasimban’ireo soatoavina maro antoka nampirindra ny fiarahamonina malagasy. Tsy mahagaga raha mbola toy ny « andevo » amin’ny Taniny ny Malagasy ankehitriny. Aoka tsy ho hadinoina, hoy hatrany, Shalar Andriamady Rija, fa taranaka Hebreo ny ankamaroan’ny Malagasy. Rehefa ny Hebreo no mivavaka amin’ny fivavahan-drazany fa tsy hanaraka ny fivavahan’ny hafa firenena dia ho sangany noho izy hanana tanjaka lehibe amin’ny lafiny rehetra. Mila mamantatra, araka izany, ny tsirairay hoe : « Iza marina izy ? ». Ny firenena tsy mahafantatra ny tantarany tokoa mantsy dia toy ny hazo iray lehibe tsy misy fototra… Fotoana izao hiverenan’ny Malagasy amin’ny « maha izy » azy.

Saritsarim-pahaleovantena no nomena an’i Madagasikara koa tsy mahagaga raha misy hatrany ny fiankinan-doha (ara-toe-karena, politika, teo-karena, sns) izay miteraka endrim-panjanahana vaovao sy fiankinan-doha tsy hisy fetrany tsy hitera-bokatsoa. Tsy ho afaka anatin’ny fahantrana lalina tahaka izao misy ankehitriny izao ny Malagasy raha toa ka mbola variana sy sondriana amin’ny fanindrahindrana ny kolontsaina Vahiny ka tsy manome hasiny intsony ny kolontsaina malagasy izay mirakitra soatoavina lehibe mampirindra ny fiaraha-miaina mikendry ny soa iombonana. Tsy fankahalana Vahiny sanatria fa hitam-poko hitam-pirenena loatra fa toy ny « Valalan’Amboa koa ny tompony aza tsy tia » ny toerana misy ny kolontsaina malagasy ankehitriny (Mila andrianina ny antsika). Nanentana hatrany ny Malagasy hiala malaky amin’ny toe-tsaina lomorona toy ny fitiavan-tena diso tafahoatra, ory hava-manana, fialonana, fifanenjehana, sns tsy mampandroso sy miteraka fahantrana lalim-paka i Shalar Andriamady Rija. Mitaky fahavononana, araka izany, ny fialana amin’ny fahantrana hizorana amin’ny tena fampandrosoana.

Vous aimerez aussi