SEKOLY AMPINGA D’OR Tokony tsy hisy ny fanaovana cours

Misy karazany ny cours, hoy ny talen’ny sekoly Ampinga d’Or, atoa Manampisoatoavina Lalaina, dia ny cours natokana ho an’ny mpanala fanadinana sy ny cours hamerenana ny fahaizan’ny mpianatra. Efa nisy resaka ny momba azy io, ka nilaza ny talen’ny sekoly, fa tsy tokony asiana intsony ny fanaovana cours fa ny taranja izay natao tany am-pianarana na/sy sekoly ihany no haverina any amin’ny cour. Araka ny fanazavan’io tale io dia misy mpianatra 20 ka hatramin’ny 40 ny kilasy iray, misy mpianatra ao tena mianatra. Ao no manakotaba mpianatra fotsiny ary ao ny tena tsy hianatra fa handrebireby mpianatra ary ao no tsy mifantoka amin’ny fianarana. Tsy ampy ny fanaraha-maso hataon’ny mpampianatra noho izany ka lasa kizitina. Lasa tsy mahay ny mpianatra dia manao cour, dia tsy hita ny fanatanterahina ny fanabeazana, hoy izy fa lasa mitontongana ny voka-panadinana azo, hoy ny fanazavany. Voalaza indray fa any amin’ny fanaovana cour ny mpianatra no mba voaaramaso ary lasa mahay ary izay taranja tsy hainy ihany no hatao any amin’ny cour. Tsy tombony ho an’ny sekoly ny fanaovana cour. Noho izany, tsy ilaina ny fanaovana cour, hoy ny tale. Mila mifantoka amin’ny fianarana ny mpianatra. Ny tombotsoan’ny ankizy no mila ampiakarina mba hahay. Tokony hanaraka ny toromariky ny mpampianatra ny mpianatra ary aza manaiky mijanona amin’ny fianarana, fa io no lova tsara indrindra. Ho an’ny ray aman-dreny, manana adidy isika ray aman-dreny hanara-maso ny fianaran-janantsika any an-trano. Ilaina ihany koa ny fandalovan’ny ray aman-dreny any amin’ny biraon’ny sekoly, fa tsy mety ilay samy maka ho azy. Ho an’ny ankizy no iadiavana ary aza hatao ambanin-javatra ny ho avin’ny zanantsika. Ho antsika mpampianatra, asa masina ity. Aza mialà andraikitra. Aleo ho tapitra ny taom-pianarana ary ataovy am-pitiavana ny asa ary apetraho amin’Andriamanitra izany. Omeo ny hasiny ny mpanabe sy mpampianatra ary jereo ny karaman’izy ireo fa kely ary hefao ny “vacation” izay mbola tsy voarain’izy ireo, ary tokony ho jeren’ny fanjakana akaiky ireo mpampianatra dia handroso ary hanao izay faran’ny heriny amin’ny tontolon’ny fanabeazana ireto mpampianatra ireto, hoy hatrany ity talen’ny sekoly Ampinga d’Or ity.

Vous aimerez aussi