SEHO « RAISO NY TOERANAO » Ho fiderana maroloko tanteraka

Antso fiderana, Isaac De Paul, Taf’Yray, SLKM Mamory Itaosy ary Asaph. Ireo no tarika mpihira evenjelika hifandimby eny an-tsehatra ao anatin’ilay seho “Raiso ny toeranao”. Ho tanterahana, eny amin’ny Kianja maitso Antsavatsava Itaosy, ny tolakandron’ny rahampitso Sabotsy 24 jona izao, hanomboka amin’ny 01 ora sy iray minitra.

Ny “Association Jeunes Malagasy Mahasaky”, izay misehatra amin’ny fitondrana ny anjara birikiny ho amin’ny fanasoavana sy fanampiana ireo mpiara-belona hahay hihoitra amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fanolorana fiofanana sy fitondrana izay voatsirambin’ny tanana miseho amin’ny endrika asa sosialy toy ny fizarana sakafo ho an’ireo tena sahirana no miketrika ny fampisehoana. Hetsika tafiditra amin’ny fitondrana am-bavaka ny firenena amin’izao tsingerin-taonan’ny fetin’ny fahaleovantena izao. “Raiso ny toeranao” izay hazavaina tsotsotra amin’ny hoe : Mila apetraka tanteraka eo am-pelatanan’Andriamanitra i Madagasikara mba hahazo fitahiana tsy misy fetra ny firenena ary ho tanteraka tokoa ilay hoe : “Hiadana sy ho finaritra” ny Malagasy tsy vaky volo miaraka amin’ilay Mpahary an’izao tontolo izao.

Nomarihan’ny filohan’ny fikambanana “AJMM” Randriamparany Hery Fanomezatoky, fa noezahana ho raitra sy ho kanto tokoa ny tontolon’ny rindran-kira “Raiso ny toeranao” izay ho santarina amin’ny fiaraha-mivavaka fohy ny fotoana eny amin’ny Kianja maitso Antsavatsava Itaosy. Nosinganiny tamin’izany ny fampiasana fanamafisam-peo matihanina, jiro sy hazavana, fitandroana ny filaminana miaraka amin’ireo mpikambana avy eo anivon’ny “AJMM” izay efa nanaraka fiofanana manokana momba izany. Ho gadona maroloko, tokoa, araka izany, no hanakoako anatin’ny seho “Raiso ny toeranao” izay ho vimbinin’ireo mpanakanto evenjelika efa samy manana ny lazany eto amintsika koa inoana fa tsy hisy ho diso anjara ny rehetra. Ny vola ho azo amin’ity hetsika ity dia hatokana ho amin’ny fanatevenana ny fanatanterahana ireo asa sosialy sy fanabeazam-bahoaka ho “Olom-banona” ataon’ny “Association Jeunes Malagasy Mahasaky”. Fandefasana Afomanga goavana no hamarana ny fiarahana eny Antsavatsava Itaosy. “Ny adidy tokoa ho vita ary ny fahafinaretana” ho azo amin’ny fanatrehana ny “Raiso ny toeranao”.

Vous aimerez aussi