SEHO EVENJELIKA Hiaka-tsehatra ny « Ny toa azy »

“Ny toa azy”, tarika hivondronan’ny ankohonana iray, izay resy lahatra amin’ny antson’Andriamanitra ny amin’ny itoriana mandrakariva ny teny soa mahafaly amin’ny malahelo amin’ny alalan’ny fampiasana ny talenta notovanana fianarana sy fandalinana norantovina tamin’ireo mpahay sy mpitendry mozika efa matihanina eto an-tanana. Ny taona 2021 no nijoro ny tarika. Tombony ho an’ireo mandrafitra ny “Ny toa azy” ny fahafehezan’ireo milalao gadona maroloko tahaka ny bagasy, reggae, batrelaky, slow, jazz, sns. Tononkira tsotra sy mora raisina hatrany ihany koa no ezahanay jariana, hoy I Sitraka sy Manitra izy ireo izay samy mpamorona eo anivon’ny “Ny toa azy” mba hanamora ny fampitana ny hafatra.

Ny tolakandron’ny Alahady 02 Aprily,hanomboka amin’ny 03 ora toalakandro, etsy amin’ny “Skate park” Antanimena, izy eni-mianaka , ankohonana iray mivondrona eo anivon’ny tarika ny “Ny toa azy” no hanolotra seho voalohany ankalamanjana ho an’ireo mpankafy. Hiara-dalana amin’ny fampisehoana izay ezahana tanteraka hanaraka ny fenitry ny “Kanto”, hoy I Sitraka izay vovonana iadian’ny lohan’ny “Ny toa azy” ny hamoahana ny kapila mangirana laharana voalohany “Nanosotra ahy” amin’ny endriny rakim-peo “Audio”. Sanganasa miisa 10 no noraiketina ao anatin’ny vokatra. Ampahany amin’izany ny “Hafaliana”, “Tiako ny mihira”, “Mihira”, “nanosotra ahy”, sns. Ho taratra anatin’ny fampisehoana fa manampy betsaka ny ankizy ho amin’ny fampivelarana ny sain’izy ireo ny fandalinana ny taranja mozika sy ny fitendrena zavamaneno. Izy 04 mianadahy ahitana an’I Mandranto (aponga maroanaka), Manovosoa (Gitara), Satry (Lokanga) ar I Sahaza (Hira), izay samy naneho ny fahavononany ny hanolotra ny kanto sy hampianjaika ny meva ho an’ireo mpankafy ho voninahitr’Andriamanitra.

Vous aimerez aussi