SAMOËLA Hivazo etsy Ambohimangakely

Vazo Samoëla zato isan-jato no handrakotra ny efitrano malalaky ny Madagascar Espace By-pass Ambohimangalely, ny alin’ny Zoma 26 jolay ho avy izao, hanomboka amin’ny sivy ora alina.

Tsy hisy, araka izany, ny « indran-kira » hataon’ity mpanakanto kalazalahy amin’ny fiangaliana ny vazo miteny ity fa ireo tsanganasany avokoa no hoentina hamakivakiana ny alin iray manontolo. Ho amin’ny endriny feno ny tarika hiatrika ireo mpankafy azy ireo. Toy ny mahazatra ireo tonga milanona ao amin’ny Madagascar Espace By- pass Ambohimangakely dia hisy hatrany ireo sakafo isan-karazany « tsakitsaky » sy ny zavapisotro isan-tsokajiny sahaza ny isam-batan’olona ho fanomezana fahafaham-po sy hahafahana mampihanoka anatin’ny fara-tampon’ny fahafinaretana ireo rehetra ho tonga amin’ity « Grand cabaret » iarahana amin’i Samoëla ity. « Vendredi joli » rahateo no anarana nasalotra ny alin’ny zoma 26 jolay ho an’ireo mpikarakara ny hetsika izay nampanantena fa ho « matihanina » ny fanamafisam-peo, jiro sy hazavana ary ny haingon-tsehatra eny an-toerana. Eny amin’ny Mada Hôtel Andavamamba sy 67 Ha no afahana mividy ny tapakila. Samy hahazo ny manandrify azy avokoa, araka izany, ireo hilanona ao amin’ny Madagascar Espace By-pass Ambohimangakely, ny alin’ny zoma 26 jolay hoavy izao.

Vous aimerez aussi