Ny andiany faharoa amin’ny « Salon vers l’emploi » izay karakarain’ny « Malagasy Créative » no hetsika tanterahana eny amin’ny « Hôtel Oriental International » Ankazomanga, nanomboka ny 23 ka hatramin’ny 25 janoary 2025. Ity tolo-tanana ho an’ireo rehetra te hizatra asa sy mpitady asa ity dia naompan’ny tomponandraikitra mpikarakara, Ralijaona Diamondra, amin’ireo sehatrasa maro samihafa hita eto Madagasikara.
Tanjon’ny tomponandraikitra mpikarakara amin’izao hetsika izao ny mba hanohanana ny tsirairay te hizatra asa sy mpitady asa eo amin’ny sehatry ny asa. Mba hahafantaran’izy ireo ny asa tena manavanana azy fa indrindra ny hahalalan’izy ireo ihany koa ireo sehatrasa azo iasana sy hita ary mbola azo trandrahana eto amintsika. Mpandray anjara maro araka izany no hita eny an-toerana mandritra ireo telo andro ireo. Ankoatra ny fivalamparan’ireo tranoheva amin’ity « Salon vers l’emploi » ity dia misy ihany koa ny vela-kevitra hanampiana ny mpitsidika tonga eny an-toerana. Ny “Malagasy Créative” izay tsy vao sambany no nikarakara hetsika tahaka izao fa efa maro ireo hetsika nokarakarainy nandritra izay folo taona nijoroany izay. Izy ireo izay miompana ihany koa eo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fandaharana sy ny varotra, araka ny fanazavana voaray.