Fitaratra tanteraka ho an’ireo mbola hitantana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny fahamendrehan’ny fomba fiasan’ny filohan’ny Delegasiona Antananarivo Renivohitra (PDS), Alexandre Georget, nandritra izay fe-potoana niasany izay. Nahay niara-niasa tamin’ireo mpiasa rehetra tao amin’ny CUA ny tenany. Manaporofo izany na ny teo amin’ny fitsinjovany ny mpiasan’ny CUA na ny teo amin’ireo asa isan-karazany. Fangaraharana tanteraka araka izany no nasehon’ity filohan’ny Delegasiona Antananarivo Renivohitra ity raha nomena fahefana feno nitantana ny tanàna, ny tenany. Izy rahateo tsy niditra tamin’ny resaka politika.
Miantso ny filoham-pirenena hanome toerana azy mba hahafahany mampiseho modely ho an’ireo tompon’andraiki-panjakana hafa araka izany, ny Sendika mahaleo tena eo anivon’ny CUA na ny SACUA. Nandritry ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2025 ny mpiasa eo anivon’ny CUA sy ny filohan’ny Delegasiona Antananarivo Renivohitra no nanambaran’ny filohan’ny SACUA, Nirina Clement, izany. Ny SACUA dia hankalaza ny fahafolo taona nijoroany amin’ity volana janoary 2025 ity. Tsangambato hanamarihan’izy ireo ny fananganana “boite à pharmacie” izay hositrahan’ireo mpiasa rehetra ao aminny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ankoatra izay dia hanatanteraka alim-pandihizana na “soirée” ny SACUA izay hanasan’izy ireo ny rehetra indrindra fa ireo olo-manan-kaja eto amin’ny firenena.