RIVODOZA BATSIRAI Namela takaitra maro

Ny Alatsinainy 07 febroary tamin’ny efatra ora hariva dia tany amin’ny 260 Km Andrefana somary Atsimo Andrefan’i Toliara I no nisy ny foiben’ilay rivodoza Batsirai. 65 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 90 Km/ora. Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka mahafaka 22 Km/ora.

Tsy misy ahiana firy intsony ny fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara.

Mety mbola hanatombo kosa ny orana any Menabe sy ny tapany Atsimo.

Noho izany dia miova ho toy izao ny filazana loza :

Filazana fahamailona miloko manga:  MORONDAVA, MAHABO, MANJA, faritra ATSIMO ANDREFANA, ANOSY, ANDROY.

Mbola hikorontana kosa anefa ny toetry ny andro eny an-dranomasina amin’ny morontsiraka Atsimo sy Atsimo Andrefana. Iangaviana araka izany ny mpanjono sy ny mpitatitra amin’ireo morontsiraka ireo mbola tsy hiandriaka.

Araka ny antotan’isa ofisialy laharana faha 3 navoakan’ny BNGRC omaly Alahady 06 febroary 2022 tamin’ny 09 ora alina dia toa izao ny mikasika ny fahavoazana vokatry ny rivodoza Batsirai.

Teo amin’ny lafiny maha olona :

Isan’ireo namoy ny ainy : 10

Isan’ireo olona nafindra toerana vonjimaika mialohan’ny fahatongavan’ny rivodoza ho fiarovana ny ain’izy ireo : 43 236 olona na tokantrano miisa 9 434 izay mitsinjara amin’ny toerana fandraisana an-tanana vonjimaika miisa 180.

Teo amin’ny lafiny fampianarana :

  • Sekoly voakasika : 211
  • Sekoly simba tanteraka : 69
  • Sekoly simba amin’ny ampahany : 439
  • Sekoly rava tafo : 55
  • Isan’ireo mpianatra tsy afaka manohy ny fianarana : 9271

Teo amin’ny lafin’ny foto-drafitr’asa :

  • Fahatapahan-dalana tamina toerana miisa 12
  • Tetezana tapaka miisa 3

Vous aimerez aussi