RIVODOZA BATSIRAI 38 km atsinanana somary avaratra atsinanan'i Mananjary no nisy ny foibeny

38 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Mananjary no nisy ny foiben’ilay rivodoza Batsirai, raha ny vaovao avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro (Météo Madagascar) ny 05 Febroary 2022 tamin’ny 07 ora hariva.

165 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 235 Km/h. Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka mahafaka 19 Km/ora.

Efa tena manakaiky tanteraka ny morontsiraka izy. Misy ampahany amin’ny ivony efa mahakasika ny morontsiraka fa ny tena ivony dia mbola any an-dranomasina.

Vinavinaina hiditra an-tanety ao amin’ny tapany avaratry ny distrikan’i Mananjary afaka atsasakadiny na adiny iray latsaka eo ny ivon’i Batsiray.

Toy izao ny filazana loza :

Filazana loza mitatao miloko mena :

Faritra VATOVAVY, FITOVINANY, ATSIMO ATSINANANA, ATSINANANA, MANGORO, ANALAMANGA, ITASY, VAKINANKARATRA, AMORON’I MANIA, MATSIATRA AMBONY, IHOROMBE sy ny Distrikan’AMBATONDRAZAKA ;

Filazana loza manambana miloko mavo :

Faritra BONGOLAVA, MENABE, ATSIMO ANDREFANA, ANOSY, ANDROY sy ny Distrikan’ANTSALOVA ;

Foana ny filazana fanairana miloko maitso voarain’ireto Distrika manaraka ireto :

SAINTE MARIE, SOANIERANA IVONGO, FENOARIVO ATSINANANA ary VAVATENINA.

Na izany aza dia entanina ny tsirairay mba ho mailo mandrakariva.

Efa mitoetra amin’ny morontsiraka ny orambe mialoha azy arahina tafiotra.

Hamakivaky ny afovoan-tany izy anio alina sy rahampitso maraina ka vinavinaina hivoaka an-dranomasina any amin’ny lakandranon’i Mozambika, any amin’ny tapany Avaratry ny faritra ATSIMO ANDREFANA ny Alahady 06 Febroary 2022 tolak’andro.

Mila mitandrina ny mponina mandritra ny fandalovan’ny ivon’ny rivodoza, Mivadika tanteraka ny rivotra aorian’izay ary hiverina hikorontana ny toetry ny andro.

Ahiana mafy ny tondradrano nohon’ny ho fahabetsahan’ny rotsakorana amin’ny faritra rehetra ho lalovany, indrindra ny ilany Atsinanana, Atsimo Atsinanana sy ny afovoan-tany.

Ahiana ihany koa ny fiarakaran’ny ranomasina (2 metatra) manodidina ny toerana idirany an-tanety vokatry ny rivotra mafy entiny ary ho 4 ka hatramin’ny maherin’ny 12 metatra ny onjan-dranomasina amin’ny morontsiraka Atsinanana manontolo.

Entanina ny rehetra mba hanaraka tsy tapaka ny fivoaran’ity rivodoza ity ary hanaraka tsara ny toro-marika omen’ny manam-pahefana.

Ny mpampiasa ranomasina rehetra amin’ny morontsiraka manontolo dia iangaviana mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza.

Vous aimerez aussi