« Mety misy ny tsy fitovian-kevitra… nefa ao anatin’izany no itondrana ny anjara biriky hifanomezan-tànana ! ». Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao izany, nandritra ny lahateny nataony raha niarahaba ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady ity Andrimpanjakana tarihiny ity, io maraina io, tetsy amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra.
Soatoavina ny fifampiarahabana
Taorian’izany no tonga nanatanteraka ny adidiny ihany koa ny avy amin’ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy, notarihin’ny Filohany, Maka Alphonse. Soatoavina ireharehan’ny Malagasy ny fifampiarahabana eo amin’ny raimandreny sy ny zanaka, hoy izy ka manatanteraka izany ity komity ity.
Nandritra izany ihany koa no nanolorany ny tatitry ny asa vitany nandritra iny taona lasa iny.
