RANO FISOTRO MADIO : Hidina ho 20 Ariary ny bidon 20 litatra manomboka amin’ity volana Jolay ity

Mbola vao ny 35 % – n’ny mponina eto amintsika no misitraka rano fisoro madio raha betsaka. Ho an’ny mponina an’Antananarivo renivohitra manokana dia mbola maro no tsy manana izany ao an-tokantranony, fa milahatra rano eny amin’ny paompy. Ho fitsinjovana azy ireny indrindra dia napetraka tamin’ny fiandohan’ity volana Jolay ity, ilay “opération Avotr’aina”, hamatsiana rano ny mponina an’Antananarivo amin’ny vidiny mirary. Hatomboka amin’ity volana Jolay ity izany, ka ilay vidin-drano 50 Ariary teo aloha ny iray bidon 20 litatra dia hahena ho 20 Ariary izany. Hametrahana toerana fanasan-tanana ihany koa eny amin’ireo toerana fivezivezen’ny olona maro toy ny eny an-tsena… Ny UNICEF sy ny kaominina Antananarivo renivohitra ary ny Ministeran’ny rano no hifanome tanana amin’izany. Faritra telo moa no hisitraka ity tetikasa ity. Ankoatra an’Antananarivo dia hahazo tombony ihany koa ny ao Toamasina sy Moramanga, hoy ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi