Nosamborin’ny zandary tamin’ny sabotsy maraina tany Ambilobe ary mbola voatazona ao amin’ny tobin’ny zandary ao an-toerana hatramin’ny androany alatsinainy i Jaokamisy Andriantsidiso. Ity farany izay mpiandraikitra ny fikambanana ao anatin’ny firaisamonim-pirenena (OSC) Magnarigny ao Ambilobe, Faritra Diana. Ny antony nisamborana azy dia mbola tsy mazava, hoy ny fanazavana avy amin’ny collectif TANY. Araka ny fanambaran’ireo mpikambana ao amin’ny firaisamonim-pirenena, izay notanterin’ny mpanao gazety avy amin’ny Kolo TV, dia mety misy ifandraisany amin’ny fiarovany ny Nosy Mitsio sy Sakatia mba tsy homena ny vahiny sy mpampiasa vola no antony nisamborana ity mpiara-miasa amin’izy ireo ity.
![](https://i0.wp.com/www.agencemalagasydepresse.com/media/2019/10/initial-amp.png?resize=100%2C100&ssl=1)
Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.