Noho ny mikraoba avy amin’ny loto samihafa no niteraka fanapozinana tamin’ny mofo sakay, ka nahatonga fahavoazana tamin’ireo ankizy mpianatra maro sy mapanabe, tao amin’ny sekoly Masindahy François d’Assise, etsy Andravoahangy.
Izany no fanamarihana nataon’ny teo anivon’ny mpanara-maso ny kalitao ara-pahasalamana, taorian’ny fitiliana natao.
Ny akora fototra
Araka izany, tsy avy amin’ny menaka velively no nahatonga ny loza fa avy amin’ny akora fototra nanaovana azy mihitsy. Mety ho anisan’izany ny lafarinina sy ny legioma naharo azy, toy ny karaoty sy karazana anana hita tao aminy.
Tsy voatery ho teny am-pividianana ireny akora ireny no efa nisy ny loto fa mety indrindra koa teo am-pikarakarana ilay sakafo, izay tsy nisy fiarovana.
Mila mitandrina ara-pahadiovana
Marihina moa fa mpianatra sy mpanabe miisa teo amin’ny 62 teo no tra-doza tamin’ny fihinanana mofo sakay novokarin’ny tao an-tsekoly ihany, ny alatsinainy lasa teo.
Noho izany, ilaina ny fahamailona eo amin’ny fahadiovana eo am-pikarakarana ny sakafo. Mbola eo koa ny fivangongon’ny fako manerana ny faritra maro ary tsy vitsy ny toeram-pivarotana manakaiky azy ireny. Toa tsy sarotiny loatra amin’ireny mpivaro-hani-masaka tsy anaty « vitrine » ireny akory anefa ny tompon’andraiki-pokontany na dia efa nosoloina sefo… manarapenitra aza ny ankamaroan’izy ireny.