POLITIKAM-PITONDRANA Fatahorana ny vahoaka ny fidinan’ny vidin-solika

Tsy afa-miala amin’ny fepetra apetraky ny Mpamatsy vola iraisam-pirenena toy ny Banky iraisam-pirenena sy ny FMI, ny firenena Malagasy. Tsy maintsy arahina ny fepetra raha tsy izay dia voasazy tsy mahazo fanampiana intsony. Efa voalaza hombieny hombieny fa tsy maintsy hiakatra io vidin’ny solika io. Nalefa aloa ny fiakaran’ny solintany (pétrole lampant). Tsy nisy nitabataba fa toa nanaraka daholo, ary niandry ny fiakakaran’ny solika.

Etsy an-daniny, mafana ny rivotra politika, fa nangalam-bato ny Fitondrana, ary natsimbakin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) ny valim-pifidianana izay ho Ben’ny tanàna. Tena halam-bato ara-bakiteny, izay tsy azo ivalozana fa didy avy amin’ny fitondrana ary tsy maintsy maro an’isa ny IRMAR. Nandeha ary ny fifamaliana eo amin’ny Miaramila ambony, mpanohana ara-bakiteny ny fitondrana. Efa niomana ireo antoko mpanohitra hikomy raha toa ka mivoaka io valim-pifidianana io. Saromana ny fivoriana, nosakanana ny mpanohitra tsy hietsika. Tahotra sy Fampirorohoana no niainana. Nanapaka ny CENI fa havoaka ny alahady 19 janoary 2025 ny valim-pifidianana.

Nanapaka hevitra indray ny mpitondra fa tsy hampiakatra ny solika, ary nampidina ny vidiny mba tsy hikorontan’ny vahoaka rehefa mivoaka ny valim-pifidianana ny alahady, izay andro fitsaharana, sy fialan-tsasatra ho an’ny sasany.  Tsy nisy nanatrika ny valim-pifidianana teny amin’ny Tribonaly eny Anosy. Tsy nisy nanohitra teny, tsy nisy korontana teny fa toa nangiana be. Lany ho ben’ny tanàna teto Antananarivo ny IRMAR. Tsy nisy nanohitra hatreto.

Marihina fa ny vidin’ny solika dia iharan’ny “ajustement”, ary mety miakatra io, ary midina ihany koa. Efa ela no saika hampiakatra ny mpitondra, fa noho ny fatahorana ny vahoaka, dia nampidinina tampoka. Tsy misy fiantraikany amin’ny vahoka io vidin’ny solika io, fa tsy ilainy amin’ny fiainana andavanandro.  Baiko ny mpitondra ny nampidinana an’io vidin’ny solika io, noho ny fatahorana ny fikomiana izay vokatry ny valim-pifidianana. Tsy aharitra ela io vidiny io.

Vous aimerez aussi