Tokony ho tafiditra ao anatin’ny programam-panjakana ny rafitra manokana ara-pahasalamana, mba tsy ho tampohin’ny loza, toa ny fahatongavan’ny valan’aretina coronavirus teto amintsika, hoy ny ministra teo aloha no sady mpandinika fiaraha-monina, Paul Rabary. Nambarany, fa maro ireo olana nolalovan’ny firenena teto, hatramin’ny nisian’ny mpitondra nifandimby. Nikatso ny famatsiam-bola, fa nihodina ny raharaham-panjakana. Nisokatra ny orinasa ary tsy nisy ny fanalana mpiasa na fandefasana mpiasa ho “chômage technique”, sns. Tsy nisy olana ny sehatry ny fitaterana sy ny fizahantany. Azo ambara tamin’ireny, fa na teo aza ireo karazana olana samihafa, dia nihodina hatrany ny raharaham-pirenena. Fa amin’izao, dia tonga ny valan’aretina coronavirus, lasa nisy olana. Tapak’andro ihany no afaka miasa, voafetra ny ora fitadiavana, hoy izy. Marina fa manampy ny olona ny fitondram-panjakana amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, indrindra fa mijery ireo sahirana, fa tsy maharaka. Zavatra tokony hataon’ny fanjakana ny fampidirana dokotera, mpitsabo eny anivon’ny hopitaly sy ny toeram-pitsaboana, handray ireo marary, fa amin’izao tsy maharaka izany.
Izany no nahatonga ny ministra teo aloha Paul Rabary nilaza fa tokony ho vaindohan-draharahan’ny mpitondra ny fametrahana ny rafitra ara-pahasalamana, mba hisorohana ny olana samihafa ary manokana vola mihitsy hijerena izay olana ara-pahasalamana izay. Raha izay no misy eto, dia afaka misoroka ireo karazana aretina mety hiseho isika, hoy hatrany ny fanazavany.
![](https://i0.wp.com/www.agencemalagasydepresse.com/media/2019/10/initial-amp.png?resize=100%2C100&ssl=1)