GROUPE « HELL’S » : Mivoy ny « Rock fusion », manandratra ny fandriampahalemana

Tany amin’ny taona 2017 no efa nijoro ny Groupe Hell’s (Fanafohizana ny hoe : « Hell rush ». Ankehitriny, i Chloé Soavina, vavitokana anatin’ny tarika miantsoroka ny lafiny feo sy fitendrena ny vatamaroafitsoka, Lallah Ramaharoson, mitendry ny apongamaroanaka, Andry Ramamonjisoa sy i Karim Djinah no miangaly ny gitara. I Mampionona amin’ny gitara beso no mandrafitra ny Groupe « Hell’s »…

FANANAN-TANY : Miahiahy ny mponina ao Nosy Mitsio

Ho tohin’ny fanambarana nivoaka teo aloa teo, dia tonga eto Antananarivo ireo solon-tenan’ny Mponina ao Nosy Mitsio, izay tarihin’ny Prezidan’ny Fikambana Tsarajoro Ankarana, Atoa isany Betombo, Abdoramany Mahamoudo, Jaokamisy, ary Bahja. Nisy ny fihoanana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny SIF, Sehatra ifotony amin’ny Fananantany (SIF) teny Faravohitra. Tena matahotra sy miahiahy ry zareo amin’izany fametrahana Hotely lehibe izany ataon’ny Emirates, ary efa nambaran’ny Filoha Rajoelina tamin’ny volana Jona 2022…

TONTOLON’NY FITSABOANA NENTIM-PAHARAZANA : Ho fongana noho ny doro tanety

Nahitsy ny fanehoan-kevitra nentin-dRazafindralamina Nomenjanahary Alexis Joli, fantatry ny maro amin’ny hoe : « Joli » eo amin’ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana mifototra amin’ny fampiasana ny ravinkazo sy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ilay Nahary nolovainy tamin’ireo Ray aman-dreniny amin’ny fanorana ho fanohizna ny taolana tapaka. « Tsy loza manambana fa efa loza mihatra amin’ireo mpisehatra amin’ny fitsaboana nentim-paharazana ankehitriny ny faharinganan’ireo ravinkazo fampiasa hitsaboana ireo marary noho ny doro tanety, fanaovana tavy, sns », hoy i Joli…

MAMINIRINA RESTOGASY – N° 2 BONGATSARA : « Vonona aho ny hampandroso an’ny Bongatsara »

Maminirina Restogasy, Renim-pianakavina tanora, avara-pianarana, Zanaky ny Kaominina Bongatsara. Tonga ny fotoana handraisana an-tanana ny fampandrosoana an’ny Bongatsara, hoy i Maminirina Resto gasy, Kandidà ben’ny tanàna, mitondra ny laharana faharoa anatin’ny biletà tokana. Natolotry ny tsy miankina « Krsitianina sahia mampandroso »…

« REVEILLON 2024 » ESPACE VOHIMASINA : Hiray sehatra i Tirike sy Samöela

Ho fararanon-gadon-kira maroloko ary ho ambohipihaonan’ireo tsiron-tsakafo mafilotra ny etsy, amin’ny Espace Vohimasina, Ambohibao Ambohijanahary – Domaine Manerinerina, ny alin’ny 31 desambra hoavy izao. Mpanakanto roa ngezalahy sy matihanina amin’ny sehatry ny mozika ahitana an’i Tirike sy i Samoela no nofidian’ny HM Restaurant sy ny Espace Vohimasina, hanafana ny sehatra ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra amin’ny maha fetim-pianakaviana ny alin’ny 31 desambra…

FANJA N°1 ANDOHARANOFOTSY : « Ny fahantrana no fahavalo iombonana… »

« Vinam-pampandrosoana efa maty paika mamaly ireo filan’ny mponina mifototra amin’ny fampiharana ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny Kaominina Andoharanofotsy ahafahana mandresy ny fahantrana. Io no hampahafantarina ny vahoakan’Andoharanofotsy, anatin’izao herinandro faharoan’ny fampielezan-kevitra izao » hoy ny Kandidà Fanja Raharimanana, mitondra ny laharana voalohany, ao anatin’ny Biletà tokana, atolotry ny antoko Tiako i Madagasikara ary tohanan’ny Vondrona Firaisankina hofidina ben’ny Tanàna sy mpanolontsaina.

DR NAINA – AMBOHIMANGAKELY : Vonona hanohy ireo asa fampandrosoana…

Dokotera Naina, mitondra ny laharana faha- 05 anatin’ny Biletà tokana ho amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina hotanterahana, ny 11 desambra ho avy izao. Mirotsaka amin’ny anaran’ny mahaleo tena. Tsy atoro voanjo hadiana amin’ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny Kaominina i Andrianarison Harinaina Olivier « Dr Naina » noho izy efa ben’ny tanànan’Ambohimangakely nandritra ny roa ambinifolo taona…

FANAMPIANA IREO MANA-MANJO : Amperinasa ny « Maison funéraire Henikaja »

Ho fanampiana sy fanaimavanana ny fahasahiranan’ireo fianakaviana nidonam-pahoriana noho ny famoizana havana ary koa ho fanatanterahana ara-bakiteny ilay fomba fiteny hoe : « Tsara levenana ny Maty ary heni-kaja ny Velona » ho famoronana asa ho an’ireo mpiara-belona. Ireo mitambatra no antom-pisian’ny Maison funéraire « Henikaja » niorina ny taona 2018, eny, Ambohimangakely…