ORINASA JIRAMA : Mila… vonjy

Notendrena ho Tale Jeneralin’ny orinasa Jirama i Vonjy Andriamanga, araka ny filankevitry ny Minisitra, ny alarobia teo. Minisitry ny angovo sy ny  rano ary ny akoranafo teo aloha izy saingy nalana tamin’izany andraikitra izany, taorian’ny krizin-tsolika ny volana septambra 2019 teo.

Voafidy

Ny kabinetra kanadiana SG Group INC no nisahana ny fifantenana izay ho Tale jeneraly, ka  i Vonjy Andriamanga no voafantina tamin’izany.

Manam-pahaizana manokana momba ny angovo tokoa i Vonjy Andriamanga ary niasa tany Frantsa. Nantsoina manokana hitsabo ny orinasan’angovo aty amin’ny taniny anefa izy.

Nitambesaran’ny olana samihafa teo anivon’ny Ministera ity Tale vaovao ity. Anisan’ny goavana amin’izany ny tsy fahazoan’ny mponina maro rano, eny na dia eto an-drenivohitra aza, eo indrindra koa ny fahatapahan-jiro matetika sy lavareny manerana ny Nosy.

Nisy ny vava asa

Na teo aza ny olana samihafa dia efa nisy ny vava asa natombony. Nisy ny famahana olana ny famatsian-drano, toy ny etsy Amoron’Akona, Itaosy, Antsirabe, Ambatondrazaka,… na dia tsy mbola hita mivaingana aza ny vokatra.

Izy no Minisitra sahy nanome sazy ireo mpandraharaha vahiny tompon’ireo kaompanian-tsolika lehibe miasa eto Madagasikara. Ny 28 oktobra 2019 no voasazy ara-bola ny orinasa Logistique Pétrolière sy Total ary Vivo (Shell) izay fototr’ireny fikorontanana teo amin’ny famatsiana solika ireny, ka nampisavorovoro ny Faritra maro, indrindra ny teto an-drenivohitra.

Miandrandra fiovana

Manoloana izao iandraiketany ny orinasa Jirama izao dia miandrandra fiovana mahomby eo amin’ny olana fototry ny fiainany ny vahoaka.

Tsy eo anivon’ny rano sy jiro ihany fa eo amin’ny vola takian’ny orinasa indrindra koa.

Mila jerena manokana indrindra indrindra, ny momba ny fandoavam-bola satria mitomandavana izaitsizy ny filaharana satria maika hanefa ny faktiora ny mpanjifa noho ny Jirama tsy miandry andraso andraso amin’ny fanapahan-jiro.

Mpitantana vaovao, tokony ho fomba fiasa vaovao. Tena mila…vonjy ity orinasa Jirama ity.

Vous aimerez aussi