“ORANGE SUMMER CHALLENGE 2024” Nibata ny loka ny tetikasa “Plastikoo”

Ny “tetikasa “Plastikoo”” no nibata ny lokan’ny “Orange Summer Challenge 2024” izay nokarakain’ny “Orange”. Ireo ekipa malagasy mandrafitra izany izay notolorana loka, ny alarobia lasa teo, teny amin’ny “Orange Digital Center” Soarano.  Ity tetikasa ity izay miompana amin’ny fanomezana aina vao indray ireo fako plastika. Endrika hanehoana izany ny fanodinana ny fako plastika ho lasa biriky azo hanorenana trano maharitra hatramin’ny 50 taona. Mateza ny vokatra vokarin’ny tetikasa “Plastikoo” noho izy ireo mahatohitra ny loza voajanahary. Mafy noho ny “beton” ireto plastika voahodina ireo. Tsy atahorana hitsoniko ihany koa satria dia ireo tavoahangy sy koveta plastika no hanamboarana ny vokatry ny tetikasa. Fiaraha-miasan’ny “tetikasa “Plastikoo”” amin’ireo mpivarotra plastika sy mpanangona no hahafahana manatanteraka izany “tetikasan’ny “Plastikoo” izany. Ankoatra izay dia eo andalam-panamboarana milina hanangonana ireo akora ampiasainy ny “tetikasa “Plastikoo”” mba hanamorany ny fahazoana izany. Io milina io izay hapetraka eny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato afaka fotoana fohy. Ezahana haparitaka amin’ny faritra hafa ihany koa izany aoriana. Ankoatry ny fananganana trano dia hiezaka hanamboatra varavarana sy tafo vita amin’ny plastika ny “tetikasa “Plastikoo””. Plastika manodidina ny 3 taonina eo ho eo no hahavitana trano iray raha biriky 900 isa no ilaina amin’izany. Efa manandrana manodina ireo fako plastika ireo ho lasa arina ihany koa amin’izao fotoana izao ny “tetikasa “Plastikoo””. Tanjon’ny tetikasa ny hamadika fako plastika milanja 300 taonina isan-taona ho lasa vokatra azo ampiasaina. Vina apetraka ny hanorina avy amin’ny fako plastika mba hiarovana ny tontolo iainana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra mpanorina ny “tetikasa “Plastikoo””, Nombatsitoha Sarobidy, ny alarobia lasa teo, teny Soarano.

Vous aimerez aussi