ORAMBE Tondraka Antsahakely

Tena lasa traboina daholo ny mponina ao Antsahakely-Besarety amin’izao fotoana izao, ary tena vaky ny tatatra nohon’ny rano be mangeniheny.

Lasa farihy ny tanàna ary tsy hita ny fampanantenana. Marihina fa tsy misy izao toe-javatra izao raha miverina amin’ny laoniny ny dalle izay tokony ho roa metatra any ny halaliny. Amin’izao izy feno fako dia tsy afaka mikoriana ny rano.

Atahorana ny aretina ateraky ny fako entin’ny riaka. Ny toeram-ponenana sy ny trano fivarotana moa dia potika tanteraka.

Vous aimerez aussi