Hatreto aloha tsy mbola misy vahaolana maharitra avy amin’ilay atao hoe : « fanjakana mahefa » ny olan’ny famatsiana rano madio fisotro sy fampiasa an-tokantrano eto an-drenivohitra sy ny manodidina ary mipaka hatrany amin’ny faritra. Iaraha-manaiky anefa fa ny rano no akora fototra antoky ny ain’ny zanak’olombelona. Singa tsy afa-misaraka amin’ny fahafahan’ny isam-baravarana miatrika ny ady atao amin’ny covid- 19 miaraka amin’ny savony ihany koa izy ity.
Minia tsy mahita sy mandre ?
Maro ireo faritra no efa nidradradradra ny fahasahiranana amin’ny fahazoana rano. Manoloana ireny, vahaolana « petatoko » hatrany no naroson’ny fanjakana toy ny fitaterana rano amin’ny fiarabe izay tsy mahasehaka akory ny tahan’ny filan’ny mpanjifa. Toa hodian’ireo tomponandraikitra tsy hita sy re ny olana goavana ateraky ny tsy fahampian’ny rano eo anivon’ny fiarahamonina. Maro anefa ireo fampanantenana natao ny hanorenana fotodrafitrasa vaovao hahafahana mampitombo ny tahan’ny famokarana rano hoan’ny renivohitra sy ny manodidina. Tsy re be tsy re kely hatreto ny tohin’ny fahavitan’izy ireny na tsia. Mangiana tanteraka tsy handrenesam-peo ny avy eo anivon’ny ministeran’ny rano sy ny orinasa Jirama izay miahy mivantana ny fanatanterahana ireo tetikasa goavana.
Ataovy bôjy !
Rehefa tsy misy ihany, hoy ireo mpanjifa efa nijaly aman-taonany maro ny vahaolana maharitra amin’ny famatsiana ny rano dia tokony ho zaraina maimaimpoana izany ao anatin’izao fitohizan’ny hamehana ara-pahasalamana izao, sitrany hanamaivana kokoa ny fahasahiranana efa tsy hita noanoa. Ny miahy ny vahoaka « hono » no antompisian’ny fanjakana. Aiza ho aiza ny fahatanterahan’izany ho an’ny Malagasy hatreto sy hatramin’izay e ? Ny rano anisan’ny fototry ny aina aza moa ity mbola sandaina vola sy mananosarotra tanteraka ny fahazoana azy !