NY AMPINGA MPIKABARY Namoaka ny andiany faha 13, miisa 315 mianadahy

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro lasa teo ireo mpikabary andiany faha 13, izay “andia-volafotsy” miisa 315 mianadahy izay navoakan’ny Ny Ampinga Mpikabary, tetsy amin’ny sehatra Maintso Analamahitsy. Nambaran’ny filoha mpanorina ny Ampinga, Manampisoatoavina Lalaina Mitahiry Fahendrena, fa tao anatin’ny 10 taona nijoroan’ny Ny Ampinga dia nampianatra mpikabary maimaimpoana izy ireo ary izao namoaka ny andiany faha 13 izao. Nambaran’ny filohany, fa 9 volana ny fianarana ary 8 taona ny zandriny ary 65 taona ny zokiny. Mianatra kabary tsy valiana izy ireo, ohatra, fitokanana zava-bita, kabary am-panambadiana, fahoriana, eo ihany koa ny fanentanana ny lanonana samihafa sy ny aro fenitra samihafa.

Ny Filoha mpanorina ny Ampinga.

Feno ny kabary nampianarina azy ireo. Misy kosa ny fampianarana ny andiany manaraka ho an’ireo izay liana, ka ny alarobia 6 oktobra, ny sabotsy 9 oktobra, alahady 10 oktobra izay manomboka amin’ny 2 ora folakandro ao amin’ny lisea privé Fanoellie Imerinafovoany, Saint Jean Ambohimangakely, Ceg Ampefiloha, Antsahabe ampitan’ny arret bus Masikoty. Saram-pianarana zero ariary. Marihana, fa eo ambanin’ny fiahian’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny Ampinga ary mpikambana feno ao amin’ny FMTS na “Federasiona Mpikanto Teny sy Soratra” sy VMPA na “Vondron’ny Mpikabary Ankehitriny”. Nambaran’ny filohan’ny Ny Ampinga hatrany, fa tamin’ny teny gasy ranoray ny fampianarana ary manaraka ny fampianarana akademisianina. Misy amin’ireo mpianatra nivoaka ireo no manohy ny fandalinana, misy misehatra eny amin’ny fiaraha-monina. Efa manana ny asany izy ireo, ny an’ny hafa ilainy amin’ny fianarana ny kabary. Nomarihan’ny filohan’ny Ampinga hatrany, fa misy efa mahaleon-tena ireo mpianatra nivoaka tao aminy ireo. Samy manana ny fomba fikabariany ireo mpikabary rehetra, fa ny rija-teny no tsy itovizana, hoy izy. Nanafatra ny filohan’ny Ampinga, fa rehefa mikabary dia aza miteny ny kileman’ny olona, fa lasa miteraka olana iny. Marihana etoana fa atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina no Ray Mpiahy ity andiany faha 13 nivoaka tao amin’ny Ampinga ity. Olona misehatra eo anivon’ny fiaraha-monina, tsy mpanao politika, olona mahay miteny, fa tsy mpikabary no nisafidianana azy ho mpiahy ity andiany faha 13 ity, hoy Atoa Lalaina Mitahiry Fahendrena.

Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina no Ray Mpiahy ity andiany faha 13 nivoaka tao amin’ny Ampinga ity.

Vous aimerez aussi