Fampiaraham-peo sy fifampizarana ny kanto, ireo no azo amintinana ny fotoana niarahan’ny mpanakanto Njakatiana sy ny mpankafy azy, omaly alahady, teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina.
« Tena Matotra », io no lohatenin’ity fampisehoana niarahan’ny « Natura Production » sy « Natiora Radio 98.2Fm » tamin’ny mpanakanto Njakatiana ity. Raitra tokoa ny fampisehoana satria dia ny tsara indrindra avy amin’ny mpanakanto sy ny tomponandraikitra mpikarakara no natolotra ny mpankafy, hoy ny tomponandraikitra mpikarakara, Ramelina Haritiana. Hipoka olona tanteraka ny teny amin’ity toerana ity, tamin’io fotoana nanatontosana ny fampisehoan’i Njakatiana io. Lany avokoa ireo tapakila tamin’ity seho an-tsehatra nokarakarain’ny « Natura Production » ity, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara hatrany. Ity farany izay nisantatra ny fikarakarana fampisehoana tamin’ity seho an-tsehatry ny mpanakanto Njakatiana tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena ity raha ho an’ny taona 2025. Antony dia satria ity mpanakanto ity dia efa nahasedra vanim-potoana maro ny zava-kanto entiny. Fiaraha-miasan’ny roa tonta izay ny mpanakanto Njakatiana sy ny « Natura Production » efa ela araka izany no nomanina.
Iray taona izao no niseharan’ny « Natura Production » tamin’ny lafiny fampisehoana raha efa telo taona izao no niseharany tamin’ny lafiny hafa. Efa maro ireo mpanakanto niara-niasa tamin’ny « Natura Production » hatramin’izay niorenany izay. Anisan’izany ny mpanakanto Bodo, Tsiakoraka, Tselatra, LJo sy ireo maro samihafa. Ankoatra ity tao amin’ny Lapan’ny Fanatanajahantena Mahamasina ity dia efa hanolotra fampisehoana tsy manam-paharoa ihany koa ny « Natura Production » amin’ny fetin’ny Reny ho avy izao, araka ny fanazavan’i Ramelina Haritiana.
