NISAHOTAKA NY MPONINA TAO MANDRITSARA Teratany vahiny vehivavy 2 ahiana ho mitondra Covid -19

Nikoropaka sy nisahotaka ny mponina tao amin’ny distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, ny alahady teo, raha vao nandre fa misy vehivavy 2 teratany vahiny avy any ivelany no tonga mihaodihaody any an-toerana. Vao nandre izany ny teo anivon’ny OMC distrika, ny “Centre de Commandement Opérationnel” tao Sofia, dia nandray ny andraikiny avy hatrany. Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, dia tokantrano roa no nanaovana ny fisavana an’ireto teratany vahiny 2 ireto. Tsy nisy olona anefa tao amin’ireo trano 2 nosavaina ireo. Hatreto, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, dia tsy mbola misy ity valan’aretina coronavirus ity ao amin’ny faritra Sofia. Na izany aza anefa dia efa misy ny fepetra sy ny andraikitra noraisin’ireo mpitondra fanjakana any an-toerana, mba hisorohana tsy hiparitahan’ity valan’aretina ity. Efa manaraka ireo fepetra rehetra napetraky ny fitondram-panjakana koa ny vahoaka ao Mandritsara. Marihana, fa tsaho naely tao amin’ny distrikan’i Mandritsara ny filazana ny fisian’io coronavirus io tany an-toerana. Napetraka ihany koa ny “barrage sanitaire” ao amin’ny faritra Sofia amin’izao fotoana izao sy ny tsy fahafahan’ny fiara mivezivezy, afa-tsy ny fiara mpitatitra entana ihany.

Vous aimerez aussi