MPANORATRA AINA NIRINA 40 Taona nanoratana, saropiaro amin’ny teny malagasy

Andrianarivelo Rahajanirina Hery. Mitondra ny solon’anarana hoe : « Aina Nirina, amin’ny maha mpanoratra ny lehilahy. Nandalina ny tontolon’ny fanorenan-trano sy ireo fotodrafitrasa goavana tahaka ny tatezana i Aina Nirina. Nirona tamin’ny taranja siantifika, araka izany, izy saingy mahavariana fa miondana ary azo ambara fa mankafy sy tia mikirakira ny habaky ny zavakanto vita amin’ny teny sy ny soratra « Literatiora » i Andrianarivelo Rahajanirina Hery noho ny fitiavany ny teny malagasy. Ankoatra izay, tia mozika ny lehilahy.

Azo ambara fa tsy mifidy voanjo hadiana amin’ny fikirakirana ny soratra i Aina Nirina noho izy manavia manavanana amin’ny fanoratana tantara, sombin-tantara, tononkalo, sns Ny fankafizana ny asa soratr’ilay mpanoratra malagasy andrarezina Rado (Andriamanantena Georges) voarakitra tao anatin’ny boky « Dinitra » sy ny asa soratry E.D Andriamalala no azo lazaina ho toy ny vy miaina nanentana an’i Aina Nirina niroso lalina tamin’ny fanefena ny teny hanjary zavakanto.

Ny taona 2014 no nanomboka nanapariaka ny sanganasany tao anatin’ny « tavam-boky » (Fb) i Aina Nirina. Ankehitriny, manitsaka ny faha- 40 taona nanoratany izy ary tsangambaton’izany ny namoahany ny boky andiany faharoa « Sombin’i Aina » Misandrahaka amin’ny lafim-piainana maro (Fitiavana, fitiavan-tanindrazana, sns) ireo kanto vita amin’ny teny voarakitra anatin’ny boky « Sombin’i Aina » faharoa izay maro anisa ao anatiny ny sombin-tantara izay misy ny miady rima sy ny sombin-tantara tsotra. Ahitana tantaram-pitiavana voarakitra anatin’ny roampolo pejy ny boky « Sombin’i Aina » faharoa. Tsy nohadinoin’ny mpanoratra ihany koa ny manentana ny Olom-pirenena ho tia ny tanindrazany sy ny teny malagasy. Maherin’ny arivo isa ankehitriny ireo asa soratr’i Aina Nirina ary telompolo ireo hira voajariny izay voarindra amin’ny gadona maroloko toy ny « rock », vakodrazana, sns.

Vous aimerez aussi