Voaantso ny talata 9 Febroary teny amin’ny sampana ady heloka bevava an’ny zandarimaria etsy Fiadanana, ny ministry ny serasera teo aloha no sady mpanentana ao amin’ny Miara-Manonja, atoa Andrianjato Vonison. Antony ny fampiantsoina dia fikonokononina fikorontanana eto amin’ny firenena, eo ihany koa ny mety hisin’ny fandrobana, sns. Mbola hitohy amin’ireo mpanentana hafa moa ity fiantsoana ity, araka ny vaovao mari-pototra azo hatrany. Ho mafimafy ihany koa ny fandraisana fepetra ho raisin’ny eo anivon’ny Emmo/Reg sy Emmo/Far, manoloana ireo fihetsika nataon’ireo mpanohitra, ny sabotsy teo, izay fihetsika mitondra mankany amin’ny korontana sy fandrobana, ka ho hentitra ny fisavana ireo fiara izay mitaona olona. Takiana amin’izany ny taratasy fahazoan-dalana. Nambaran’ny teo anivon’ny zandarimaria, fa tsy hilefitra amin’ny fanakorontanana eto amin’ny firenena ny mpitandro filaminana. Nampiana ihany koa ireo olombelona hisahana ny fifamoivoizana sy ny fisafoana ary ny fisavana eny amin’ny lalam-pirenena rehetra, raha ny tatitra azo hatrany.
