Tontosa ny tolakandro teo ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Eric Rakotomanga, teny amin’ny fasan-drazany eny Manjaka Ilafy, taorian’ny fanompoam-pivavahana natao tetsy amin’ny foiben’ny Antokon’ny Kongresin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara (na ny AKFM) niandrasana ny razana ihany.
Fianakaviana, namana sy tapaka, mpiara-mitolona, mpanao gazety,… no nanotrona izany fotoana izany.
Ny 15 janoary teo moa no nodimandry ity Filoha Nasionalin’ny Akfm ity. Mpanao gazety ary tonian-dahatsoratry ny gazety Imongo Vaovao, gazetin’ny antoko Akfm izy. Efa mpikambana tao anatin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) izy tamin’ny taona 2013, ary anisan’ireo mpitarika teo aloha tao amin’ny foiben’ny Sendika Fisemare koa.
Nanana ny anjara-toerana teo amin’ny famolavolana ny ankizy koa i Eric Rakotomanga, tao amin’ny Tarabaomaraina Jean Ralaimongo, izay sehatra namolavolan’ny Akfm ny ankizy.
Anisan’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fifanampiana Malagasy koa i Eric Rakotomanga, ary nitarika ny Tanora AKfm na ny Kdtm.
Mpanao pôlitika nijoro ara-poto-kevitra izy ka tsy mba niovaova antoko tahaka ny mpanao politika maro. Ny fitantanana banky no fianarana norantovony tany amin’ny Firaisana Sovietika, saingy nanompo ny firenena tao anatin’ny antoko Akfm izy rehefa tafaverina teto an-tanindrazana.
Ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Agence Malagasy de Presse dia maneho hatrany ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana sy ny antoko misy azy.
