Ankoatr’ireo olana maro efa taloha tokony hovahana mikasika ny asa tanana Malagasy, dia mbola manampy trotraka ny voka-dratsy naterakin’ny krizy ara-pahasalamana Covid19 ankehitriny. Tsy azo tsinontsinoavina sy hodian-tsy hita anefa io sehatra io satria maherin’ny 2 tapitrisa amin’ny Malagasy no mivelona aminy. Mitondra vokatra ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara izy satria manome 15 % hatramin’ny 17 % amin’ny harinkarena faobe. Saika ny 75% n’ny Malagasy dia mivelona amin’io ary ny 80% amin’izany dia vehivavy avokoa, araka ny tatitry ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Indositra ny Varotra ary ny Asa Tanana.
Amin’izao fotoana izao dia velon-taraina tanteraka ireo mpisehatra amin’ny asa tanana nandritry ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Asa Tanana izay nifarana ny zoma teo, tetsy amin’ny Ivon-toerana Nasionaly ho an’ny Asa Tanana Malagasy na CENAM. Tsy tahaka ny volana jona isan-taona fa tsy misy intsony ny mpanjifa sy ireo kaomandy ka maro ny mpiasa tsy maintsy najanona ary nitotongana tanteraka ny fidiram-bola raha ny tatitr’ireo mpandraharaha mpanao asa tanana. Nampitombo ny olana nosedrain’izy ireo ny fihibohana sy ny krizy ara-pahasalamana, ka anisan’izany ny fihenan’ny akora fototra ilaina, ny fitotonganan’ny sehatra fanondranana. Ity farany izay nahatratra 17 tapitrisa Euros na 73 128 050 000 Ariary anefa tamin’ny taona 2019 kanefa amin’izao fotoana izao, dia tsy misy raisina intsony noho ny fikatonan’ny sisin-tany. Na izany aza dia nanambara hatrany ny teo anivon’ny ministera, fa hisy ny fotodrafitr’asa goavana mikasika ny asa tanana izay misy karazany 114 eto Madagasikara. Hahazo laka amin’izany ny fampiofanana ary misy ny fifaninanana karakaraina misy sokajy 6 hitsimpinana ireo mpanao Asa Tanana mendrika indrindra hanomezana toerana io sehatra io eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena. Tanjona ny ahafahana hifaninana tsara amin’ny firenena hafa sy ny hidirana eo amin`ny sehatra ara-dalàna sy matihanina hahamafy ny fahaiza-manao mba hiteraka fampandrosoana ara-toekarena.