MPANAKANTO « YVON PAUL » Folo taona nizarana ny « Mozikan’ny fo »

Razakarivony Yvon Paul, fantatr’ireo mpankafy ny kanto an-kira sy mozika amin’ny hoe : Yvon Paul. Mandia ny faha folo taona nikirakirana ny mozika ny tovolahy amin’ity taona ity. Mpanakanto miezaka hatrany ny manome lanja ny lafiny  tononkira sy ny fandrindrana izany mba hahafeno ny famaritana ny atao hoe : « Kanto ».

Ny « Mozikan’ny fo » izay azo adika tsotra ho mozika « miaina » sy misy « fanahy » ravahan’ilay feo rakotra angola sy ireo zavamaneno maivana « acoustique » toy ny gitara tsotra, korintsana sy ny forongony, sns ary ny tononkira misy hafatra mafonja narafitra mba hanana endrika kanto. Anisan’ny mampiavaka an’i Yvon Paul ilay fomba fanononana ny tononkira izay ezahan’ny tovolahy hazava tsara hatrany mba ho tafita any amin’ireo Mpankafy ny hafatra raiketin’ny tononkira.

Tombony lehibe ho an’i Yvon Paul ihany koa, ilay fanomezam-pahasoavana sarobidy ananany eo amin’ny lafiny famoronana tononkira sy ny feony. Havanana amin’ny fitendrena ny gitara ihany koa i Yvon Paul. Anisan’ny nanefy ny talentany ny naha mpikambana azy an-taonany maro , teo anivon’ny Antoko mpihira iray tany Boriziny. Azo ambara, araka izany, fa sady manala voly sy hahafahana manabe sy mitaiza ny maha olona ny mozika lalaovin’i Yvon Paul. Azo atao tsara rahateo ny mampiara-dalana ny lafiny fitadiavam-bola sy ny fanabeazana ho Olom-banona eo ampikirakirana ny mozika. Tsanganasa efa tsy afaka am-bavan’ny maro ihany koa ny « Tsy magnino », « Samy love », sns Vazo vao tsy ela akory no namoahan’i Yvon Paul nefa efa maro ireo mankafy azy ny « Olo-tsara » Tsy ny lafiny fitiavana ihany fa misandrahaka amin’ny loha-hevitra marolafy ny ambaran’ny tononkiran’ity mpanakanto ity.

Ny Sabotsy 05 aprily ho avy izao, hanomboka amin’ny fito ora hariva, etsy amin’ny Sooatel « Piscine du boulevard 67 Ha » no hamanarika ny faha-folo taona niangaliany ny « Mozikan’ny fo » i Yvon Paul. Tsy handeha irery ny tovolahy fa hiara-hanamarika aminy izany ihany koa i Parish. Marihana fa « Duo de choc » ny anarana nasalotra ny seho eny an-toerana. Ho vahiny manokan’i Yvon Paul ny andriambavilanitra mpanakanto Stella Lyncha. Ity farany izay manana feo kanto ihany koa.

Vous aimerez aussi