“Sosokevitsy”, notovozina an-doharano
Kilalaky efa notapohana laro hafa no misy ankehitriny, hoy i Thybaut fa tsy ilay notovozina tany an-doharano, toy ny anay. Mampiavaka ny “Sosokevitsy” izay fanao amin’ny fotoanan’ny ankasoavana sy ankaratsiana ny fahenoana mazava ilay antsa mitaingina eo amboniny ary ny fahatsoran’ny fomba nandrindrana ny tononkira sy ny soradihy maneho mandrakariva ny fiainana andavanandro. Ny Kilalaky nolovaina tamin’ireo Razambe tokoa mantsy dia ahitana taratra mandrakariva ny fisongadinan’ny feo (Antsa), dihy ary ny feo-kabosy ombana korintsana maivana.
Haparitaka sy ho beazim-boho
Hifototra tanteraka ho amin’ny fanapariahana sy fampitiavana ny tena kilalaky eto Gasikara mipaka hatrany Dilambato manomboka izao ny tarika izay efa namoaka kapila mangirana voalohany sy ilay vazo “Ampela” izay maneho ny kilalaky nentim-paharazana fa tsy ny “Safiotra kilalaky” ataon’ny hafa ankehitriny. Tombony ho an’I Thybaut ny fananana ireo raki-tsarobidy momba ny tantaran’ny kilalaky noho izy zanak’iny faritra niavian’ny kilalaky iny. Fikasan’ny tovolahy ny handrakitra amin’ny boky ny tantaran’ny kilalaky. Mila fifanomezan-tanana anefa ny fanatanterahana izany.