Rose, Mpanakanto andriambavilanitra, zanak’Antsohihy, azo ambara ho nahavita dingana lehibe tao anatin’ny fotoana fohy ho amin’ny hazakazaky ny fanatrarana ny tanjona ho mpanakanto matihanina eo amin’ny sehatry ny hira, mozika ary ny dihy. Tombony ho azy ny efa nilonany an-taonany maro tao anatin’ny Antoko mpihira « Chorale ». Ankoatra io, azo lazaina ho fanomezam-pahasoavana goavana ny fananan’i Rose ilay feo somary migobona (hahenoana beso) nefa kanto. Tsy faheno loatra amin’ireo andriambavilanitra miangaly ny mozika eto an-tanana izany. Mahafehy ny ban-kira rehetra i Rose. Singanina amin’izany ny zouk love, slow, reggae, sns…
Tsy ny hanala voly ihany no antom-pisian’ny tarika Rose izay ahitana mpikambana miisa roa ambinifolo ankehitriny fa ny hanabe ihany koa. Midika io, fa tononkira misy anatra amin’ny endrika hafatra no heno anatin’ireo tsanganasan’i Rose. Ireo trangam-piainana andavanandro no akora fototra entin’i Rose manajary ireo tononkirany. Zavamisy, araka izany, no harafitra hanjary kanto an-kira. Ankoatry ny mihira, havanana tanteraka amin’ny fandihizana ihany koa i Rose. Mpanakanto tso-piaina sy mora ifandraisana i Rose. Mampiavaka azy koa ilay volo matevina voajanahary.
Maro ireo fiakarana an-tsehatra efa vitan’ny tarika. Anisan’ireny ny fandraisana anjara tamin’ny Festival « Somaroho » sy ny fampisehoana tany amin’ny faritry Sava. Vinanasan’ny tarika amin’ity taona 2025 ity ny famoahana hira vaovao sy ny fampitombona isa hatrany ny fiakarana an-tsehatra ho fanomezana fahafam-po ireo mpankafy ary ny hampiakatra ho avo hatrany ny lentan’ny mozika hatolotra ireo mpankafy. Ampahany amin’ireo vazo nahafantarana an’i Rose ny « Mpankafy » sy ny « Ngôma vadin’olo » tsy ho ela ny famoahan’ny tarika tsanganasa vaovao mamelabelatra ny tontolon’ny fanambadiana.
